Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3031.
Hianaro ny fahendrena amin'ny alalan'ny adalan'ny sasany
miainga
3032.
Ny iray tahin'olombelona fa ny iray kosa tahin'Atra
niryna
3033.
Manao ho akan'ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana
niryna
3034.
Manao an'Atra ho tsy misy ka mitsambiky mikipy
niryna
3035.
Tsy misy tsy fantatr'Atra saingy minia mihondrika izy
niryna
3036.
Ny valikin-kitsaka noho miverina, toy ny mpamosavy nalevina an-dalana
niryna
3037.
Tafondro natifi-baratra ka tafahaona samy loza
niryna
3038.
Tano mafy ny fananarana fa aza avela hiala.Hazony izy, fa ainao
niryna
3039.
Ny karavasy ho amin'ny soavaly, ny lamboridy ho amin'ny boriky fa ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala
niryna
3040.
Mora hafindra toy ny ketsa ny fitiavana.
niryna
3041.
Raha nisakana izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
3042.
Asa atao an-kira toa vita toa tsy natao
niryna
3043.
Ny lehibe toy ny vato ambonin'ny loha, sady mahataho-mahamenatra
niryna
3044.
Raha tiana aza ny zaza rehefa manaiki-nono akifika ihany
niryna
3045.
Aza atao fitiavam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fitia tantely ka mamy lava ao am-bava.
niryna
3046.
MIriorio ny angidina kanefa any an-kady ihany no hiafarany
niryna
3047.
Kodiaran-tsarety ny fiainana ka ny ambany mbola ho lasa ambony, ary ny ambony mbola ho lasa ambany
niryna
3048.
Izay manamafy ny fony no hidiran-doza
niryna
3049.
Raha nisaka izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
3050.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
niryna
3051.
Aza manao ory hava-manana
niryna
3052.
Tsy mba hanan-java-mahory izay manome ny malahelo
niryna
3053.
Ho faly ny vahoaka, raha mihamaro ny marina
niryna
3054.
Aza madio ivelany tahaka ny tsihy.
niryna
3055.
Ny vodi-tsobika aza manan-tandrify
niryna
3056.
Aza mitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molony hafa, ny lazain'ny vavany hafa
niryna
3057.
Ny zanaka tiana no hanarina
niryna
3058.
Vavaolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika
niryna
3059.
Aza mitaraina tana-miepaka
niryna
3060.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
Voalohany
Mialoha
100
101
102
103
104
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1064