Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3091.
Sasa-miaina tahaka ny saka, mamba matory ka alàm-bolombava.
aivetinakely
3092.
Ny tia fa tsy mitaky sandany, izay no tena tia
aivetinakely
3093.
Ny mandeha irery salahain'Andriamanitra, ny mandeha roa salahain'olombelona.
aivetinakely
3094.
Fanjaibe hazo ny fitiavana ka very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
3095.
izay tsy miady olo-bodo fa izay tohy fo mpamosavy
ravaux
3096.
Tsy misy afaka manompo tompo roa fa ny iray ho tiany ary ny iray ho halany
niryna
3097.
MImenomenona hoatran'ny ampelam-batotra
niryna
3098.
Ny vy tsy mikitrana irery.
niryna
3099.
Aza mimenomenona toy ny sinoa very entana
niryna
3100.
Aza mandeha tsy voizina toy ny lakana mivalan-drano
niryna
3101.
Tsy misy mahamenatra toy ny mitari-bady tsy lasa vodiondry
niryna
3102.
Tsy misy fahoriana izay natao tsyho zakan-tsika
niryna
3103.
Manjenjem-poana toa ny alala azon'ody.
niryna
3104.
Aza manao hoe raha ho ahy mihondrahondra, fa raha ho azy miongota velona.
niryna
3105.
Valala iray hifanapahana
niryna
3106.
Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
niryna
3107.
Ny rano raraka tsy azo raofina
niryna
3108.
Ny vava tsy anambina ahitan-doza
niryna
3109.
Ny manetsa be mbola ho avy
niryna
3110.
Raha izaho no namely totondry tsy henoko ny fidobony, fa raha izaho no voan'ny tehamaina, henoko ny firotsony
niryna
3111.
Aza mamaky hakotry
niryna
3112.
Fanitsiana:Aza manjaitra atody vaky
niryna
3113.
Aza manjaitra atody vaky
niryna
3114.
Ny diavolan-kolava, ny kilalao mbola ho ela
niryna
3115.
Raha mety ny atao, ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa, raha tsy mety ny atao, ny tain'omby mivadika aza mampianjera
niryna
3116.
Raharaha tokony atao anio aza hiandrasana rahampitso
niryna
3117.
Masotsokina ka izay kely hananana no ahiratra
niryna
3118.
Voa roa toy ny tain'omby nasesika ao an-davabato
niryna
3119.
Voa roa toy ny dakam-boriky
niryna
3120.
Ny adalan'ny olona hihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
niryna
Voalohany
Mialoha
102
103
104
105
106
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0192