Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3181.
Aza manjaitra atody vaky
niryna
3182.
Ny diavolan-kolava, ny kilalao mbola ho ela
niryna
3183.
Raha mety ny atao, ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa, raha tsy mety ny atao, ny tain'omby mivadika aza mampianjera
niryna
3184.
Raharaha tokony atao anio aza hiandrasana rahampitso
niryna
3185.
Masotsokina ka izay kely hananana no ahiratra
niryna
3186.
Voa roa toy ny tain'omby nasesika ao an-davabato
niryna
3187.
Voa roa toy ny dakam-boriky
niryna
3188.
Ny adalan'ny olona hihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
niryna
3189.
Tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra
niryna
3190.
Araraoty ny andro hanaovan-tsoa fa zava-poana izao rehetra izao
niryna
3191.
Na dia izany aza anefa ry malala, tsy misy neniko ny fitiavako anao
niryna
3192.
Sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiahy.
niryna
3193.
Ny fahendrena ve ? Minia mitsiky raha mitomany.
niryna
3194.
Aza manao anay ho tsinotsinona fa ny havanay avy any Dilambato jerena
niryna
3195.
Ny trano nahavokisana tsy hipetrahana ela
niryna
3196.
very aho malalako, notaizaiko ho saka kanefa lasa kary
Rajordri
3197.
Ny todim-pitia manodiava, fa ny todim-paty no aza manody.
aivetinakely
3198.
Naniraka amalona hatsàka, tonga an-tanindrazany izy de tamàna.
aivetinakely
3199.
Ny vali-finginga, fingaka;ny valim-piakarana, fidinana
niryna
3200.
Aza manao an'Andriamanitra ho tsy misy ka mitsambiky mikipy
niryna
3201.
Zanaka tokana an-trano ka raha tsy maty voky, maty noana
niryna
3202.
Vehivavy lava lamosina ka ny kifafa indray no tapaka
niryna
3203.
Aza manao sotrobe lava tango, loharana ny atsy, tsabahana ny eroa
niryna
3204.
Androso maty raibe, hihemotra maty renibe
niryna
3205.
Ny vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy
niryna
3206.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano
niryna
3207.
Aza mitoto-vary diavolana ka maka fanahy ny akoho
niryna
3208.
Halan'ny olona hianao fa tiako izaho hanana azy
niryna
3209.
Fatra-pitia ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
3210.
Izy handrandrana indray ve no hanafenana loha sola ?
niryna
Voalohany
Mialoha
105
106
107
108
109
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0195