Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3211.
Mitady loza ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manompo sikidy
niryna
3212.
Raha miady izaho sy ny azy, tsy aleon'ny naterany
niryna
3213.
Raha lasa ny mamba, misisika ny voaay
niryna
3214.
Ny sasany miteny hoe feno an-tsasany ny vera misy rano, ny sasany miteny hoe tsy am-py an-tsasany ny rano
niryna
3215.
Ny tampany ihany no mikobana
niryna
3216.
Raha tsy mandeha mialoha hianao dia ho tratry ny ao aoriana
niryna
3217.
Mihazakazaka tratry ny miadana
niryna
3218.
Tsy misy ny fifanajana eo amin'ny samy jiolahy.
niryna
3219.
Raha lasa ny saka, mandihy ny voalavo
niryna
3220.
Aza mandihy tsy afa-tavony
niryna
3221.
Ny trano izay miady lava dia tsy hitsangana mihitsy.
niryna
3222.
Izay manao ny fandrinany no tsy maintsy matory eo.
niryna
3223.
Ny toetra miafina dia toy ny ankoso, bolamena, ka mamiratra jerena
niryna
3224.
Izay tianao ataon'ny olona aminao no ataovy amin'olona
niryna
3225.
Aza manao voron'azon'adala.
niryna
3226.
Izay ela netezana no lava volo
niryna
3227.
AVadiho im-pito ny lela vao miteny
niryna
3228.
Ny tanety lava misy hisainana.
niryna
3229.
Aza manao an'Atra tsy misy ka mitsambiki-mikipy
niryna
3230.
tsy fidiny ho an'ny sima ny hanary ny rony, fa ny molotra hitsetritra no tsy ampy
rakekely
3231.
Ny fitiavana toy ny sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana
niryna
3232.
Ny fitiavana toy ny sora-jandiana ka samy mifidy ny tiana
niryna
3233.
Mora ny mitondra tehina fa sarotra ny mitondra tena
niryna
3234.
Mifosa tena toy ny mifosa vady
niryna
3235.
Ny tokan-trano tsy ahahaka
niryna
3236.
Taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra
niryna
3237.
Tanora nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery
niryna
3238.
Maty voky toy ny vadina miaramila
niryna
3239.
Mitafa amin'ny mpanan-karena ka mita-kitay atao hiditrano
niryna
3240.
Ny fitia toy ny ketsa ka raha maniry mora hafindra
niryna
Voalohany
Mialoha
106
107
108
109
110
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0327