Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3271.
Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no heriny
niryna
3272.
Tia ady ka lany harena
niryna
3273.
Tsy mangalatra manana adidy hoatra ny fangala-bola
niryna
3274.
Izy lahy sady mahery, fa izaho vavy sady malemy
niryna
3275.
Ny vava no tsy ato be, ny mamerina azy no tsy laitra
niryna
3276.
Na ny adala aza no tsy miteny dia toa hendry ihany
niryna
3277.
Aza miakatra ho rahona ka mihelin-ko zavona
niryna
3278.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
niryna
3279.
Tsy lany hamamiana toy ny fary
niryna
3280.
Tsia tia, tsy tia, fa tsy manidy trano
niryna
3281.
Ny olombelona tsy fo vato, fa fo emboka
niryna
3282.
Aleo tsy manana toy izay hanan-dratsy
niryna
3283.
Aza mitsipa-doha ny laka nitana
niryna
3284.
Ny fitivana dia tsy mena mivadika toy ny andro ririnina
niryna
3285.
Fa ataovy fitia tantely, tiana ihany fa tsy mba atelina
niryna
3286.
Aza atao fitiavam-bato, raha tapaka tsy azo atohy
niryna
3287.
Ny fisaorana dia sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiaro
niryna
3288.
Ny fisaorana dia sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiahy
niryna
3289.
Tapa-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato
niryna
3290.
Raha zanaka no tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
3291.
Toa faly sahirana toy ny akohokely hitsipazam-potsim-bary
niryna
3292.
Raha zaza tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
3293.
Ny vava atao be ny mamerina azy no tsy laitra
niryna
3294.
Hano aho ihinanako anao
niryna
3295.
Tanora tsy mi-bis tsy mi-bĂ , efa antitra vao mikapilakopĂ (mikopily kopy ah').
ilanto
3296.
Zaza nilaozan-tsakaiza k'a milalao vovoka irery.
ilanto
3297.
Avo fijery Andriamanitra, koa mahita ny miafina indrindra.
ilanto
3298.
Aza mijery tany avo avaratra
niryna
3299.
Mateti-pihavy toa sotrokely
niryna
3300.
Ny amboa aza atao hoean'ny malala
niryna
Voalohany
Mialoha
108
109
110
111
112
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0821