Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3301.
Zatovo mandry maraina, bongo maso vao hita
niryna
3302.
Miriorio toy ny angidina kanefa any an-kady ihany no ihafarany
niryna
3303.
Aza mijery tany avo avaratra
niryna
3304.
Maty mangina toy ny otrik'afo
niryna
3305.
Marain-tsy lasan-davitra hoatran'ny akoho
niryna
3306.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
niryna
3307.
AZa mindran-tsofina samy akaiky
niryna
3308.
Ny teny mamy mampisaina ny be loha
niryna
3309.
Afaka hitarika ny soavaly hisotro rano hianao fa tsy afaka azy ny hanery hisotro rano
niryna
3310.
Lazao ahy ny namanao ahalalako ny toetranao
niryna
3311.
Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika
niryna
3312.
Ny vy tsy mikorotsana irery
niryna
3313.
Ny vorona iray eo an-tanana tsara lavitra noho ny vorona roa any an-tsaha
niryna
3314.
Izay ela nohetezana hono lava-volo
niryna
3315.
Rehefa inao ve no misioka dia omby iray tanety, farehefa ny olona dia kery iray lohasaha.
ilanto
3316.
Hazo nambolena antampotanety, koa sady manome aloka no manome loharano.
ilanto
3317.
Ataovy fitia lamba sy akanjo, sady itafiana no kolokoloina.
ilanto
3318.
Aza atao fitia vatomamy, tiana ihany fa hanina sy levonina.
ilanto
3319.
Kristianina sandoka: mivoaka alina, mamosavy; mivoaka andro, manao risoriso.
ilanto
3320.
Mahantra te hotafita fianarana, koa ny vaky boky no sisa ianteherana.
ilanto
3321.
Mpianatra kamo mamaky boky, koa mionona amin'ny kely azo tany am-pianarana.
ilanto
3322.
Ny vaky hazo no herin'ny fanorenana, fa ny vaky boky no herin'ny fianarana.
ilanto
3323.
Kilongalahy te handroso fahaizana, tsy maintsy mihafy raha te ho tafita.
ilanto
3324.
Tanora-vavy te hianatra, mizara mifehy tena.
ilanto
3325.
Ny tsa vanahita ro miatehateha, fa ny efa nahita fola-drehareha.
ilanto
3326.
Aza menatra ny finoana; nefa koa aza menatra ny fo noana
ilanto
3327.
Kristianina sandoka, koa mivoka alina mamosavy.
ilanto
3328.
Kristianina marina, fa na ny rano ho sotroiny aza isaorany ny Tompo!
ilanto
3329.
Kristianina mpamonjy alahady, fa andavanandro manadino ny Mpahary.
ilanto
3330.
Ataona fa moramora va ny miangona se Renidoara vita Komonia!
ilanto
Voalohany
Mialoha
109
110
111
112
113
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0983