Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3391.
Kilongalahy te handroso fahaizana, tsy maintsy mihafy raha te ho tafita.
ilanto
3392.
Tanora-vavy te hianatra, mizara mifehy tena.
ilanto
3393.
Ny tsa vanahita ro miatehateha, fa ny efa nahita fola-drehareha.
ilanto
3394.
Aza menatra ny finoana; nefa koa aza menatra ny fo noana
ilanto
3395.
Kristianina sandoka, koa mivoka alina mamosavy.
ilanto
3396.
Kristianina marina, fa na ny rano ho sotroiny aza isaorany ny Tompo!
ilanto
3397.
Kristianina mpamonjy alahady, fa andavanandro manadino ny Mpahary.
ilanto
3398.
Ataona fa moramora va ny miangona se Renidoara vita Komonia!
ilanto
3399.
Omena tsy tia, koa avy eo vao aiza ny ahy teo!
ilanto
3400.
Mpamboly mahavokatra tsy mahay mitantana, koa mandadilady hila hanina any amin'ny mpanao mangazay.
ilanto
3401.
Miaka-bokatra tsy mahay mitsitsy, varatr'andro vao miasa tsy homan-kanina.
ilanto
3402.
Manao an'i Laborda tsy ho vazaha.
ilanto
3403.
Vazaha matim-basy, matin-draha nataony.
ilanto
3404.
Ambava tsy mila, fa am-po taralila.
ilanto
3405.
Amboalahy miandry embok'akondro, andraza tsy latsaka, avela toa hena.
ilanto
3406.
Mpaka zaza tam-po maniry hanan'anaka, rehefa tena mitady tsy mahazo intsony.
ilanto
3407.
Kristianina alahady, alatsianiny mangalatra akoho.
ilanto
3408.
Radio lany vato, mangina no sisa anjarany.
ilanto
3409.
Fiara lany lasantsy, ka na te handroso aza tsy afaka intsony.
ilanto
3410.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona.
ilanto
3411.
Miatranatrana toa vady vao.
ilanto
3412.
Tao-tranon'Antanànarivo, koa izay mahavita aloha no manenina.
ilanto
3413.
Manao Andriamani-tsy misy koa manambaka ny adala.
ilanto
3414.
Manao Andriamani-tsy misy, koa manambaka ny adala.
ilanto
3415.
Adala nomen-dasiray, herinandro mitsinjaka ihany.
ilanto
3416.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra mahatahotra
ilanto
3417.
Manao talily ren-dragnahary.
ilanto
3418.
Zagnahary agnabo koa mahita ny kilaraha iaby.
ilanto
3419.
Zagnahary magnome, fa gn'olo ro maniasia.
ilanto
3420.
Andriamanitra manome, fa Ibalita no tsy nambinina
ilanto
Voalohany
Mialoha
112
113
114
115
116
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0217