Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3451.
Aza ny antsanga tsy aman'orana no alahatra
niryna
3452.
Ny lela dia maranitra mandratra na malefaka manome tso-drano.
niryna
3453.
Toy ny haloky ny tarehy eo amin'ny rano ny fo, izay havoakan'ny vavanao no maha hianao anao.
niryna
3454.
Ny antonony sarotra ilaina
niryna
3455.
Tsy misy ny afo raha tsy misy kitay, tsy misy ny ady raha tsy misy ny mpifosa
niryna
3456.
Miriorio ny angindina fa any an-kady ihany no hihafarany
niryna
3457.
Aza milanjalanaja toy ny akoho mihinam-biby
niryna
3458.
Malaza tsy hihinana toy ny viliantsahona
niryna
3459.
Aza manao havako raha misy patsa, fa aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
niryna
3460.
Toy ny tain'alika ka ny avo ihany no hivovonana.
niryna
3461.
Vorombolo miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay
niryna
3462.
Mpaka kofehy nahazo mpangalatra, vonona amin'ny kofehy hamatorana azy.
niryna
3463.
Mahay lamba mitafy raha
niryna
3464.
Zanak'omby masiaka tsy matahotra an-dreniny.
niryna
3465.
Trano-bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo
niryna
3466.
Ny filalaovana sy ny asa tsy miaraka.
niryna
3467.
Aza aseho ny nifinao rehetra raha tsy efa manaikitra hianao.
niryna
3468.
Izay tia ny tenany dia tsy mba hanam-pahavalo
niryna
3469.
Izy mihevitra hiasa tsara dia tsy maitsy mandrangitra ny fitaovany.
niryna
3470.
Mora lavitra ny mandany no manangona
niryna
3471.
Maitso foana ny ahitra eny an-jaridainan'ny olona.
niryna
3472.
Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa, ny sakafon'ny sasany toa pozina mifono ho an'ny hafa.
niryna
3473.
Mihena antoerana toa fen'antitra, lany ampitoerana toa volan'adala.
niryna
3474.
Raha mitomany hianao, dia hianao irery no mitomany fa raha mihomehy kosa hianao dia mihomehy miaraka aminao ny amban'ny lanitra.
niryna
3475.
Tantely be ronono ny fitiavana ka arakay ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.
niryna
3476.
Ny vava tsy voatandrina ahitan-doza, ka na ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany.
niryna
3477.
Tsara kokoa ny irery tsy arahan-dramoromo toy izay mpinama roa miady lava
niryna
3478.
Misy taranaka izay tsy misaotra ny rainy sady manozona ny reniny.misy taranaka manao azy ho madio, kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.
niryna
3479.
Ny tenin'Atra dia madio avokoa, ampinga ho an'izay mialoka aminy izy.
niryna
3480.
Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony fa saho hozoniny hianao ka ahazo heloka
niryna
Voalohany
Mialoha
114
115
116
117
118
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0218