Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3481.
- Tarôndro nidiavintsarety zegny, maso fo miboliaka fa fô tsy mazava - Matsabory misy tatamo è, madio fa tsy mazava è!
Ambininjanahary
3482.
Vady tiana zegny mitombo tarehy
Ambininjanahary
3483.
ny fahaizana no vady tsy mamitaka
boli2
3484.
Volamena latsaka am-bovoka ka tsy avelan'ny lazany tsy hahiratra
rtol
3485.
Voanemba mipitika anjoro, tsy very fa maka toerana
rtol
3486.
Ny very ondry manara-morona, ny tsy ampy ketsa mivezivezy
rtol
3487.
Raha malina aza mifehy hazo tokana
rtol
3488.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny no hilaza azy
rtol
3489.
Toy ny akoholahy an' Antanantanana ka ny mazava mitarika vady maro fa ny alina kosa mandry amin'ny tainy
rtol
3490.
Poritr'ovy Ankaratra ka samy mihinana izay voapotsipotsiny
rtol
3491.
Na tsara nify anoloana aza tsy hitsako alohan'ny vazana
rtol
3492.
Antananarivo no tsara trano ka i vakiniadiana no sola vantony
rtol
3493.
Lasanko-vavany toy ny haron-tabebaka
rtol
3494.
Sahobakaka mamangy rafozana ka ny mpamangy montotra ny vangiana montotra!
rtol
3495.
Sambo-balalan'ingahibé, azo moa fanampin-kanina, tsy azo tsy fahafirin-kanina
menalamba
3496.
Manambady bé molotra, hitondrana mivindina tsy hitondrana mivindina
menalamba
3497.
misara-bady tanora manome zara ho an'ny sasany
220776
3498.
Aza setroky ny afo aroson'ny hafa ihany
niryna
3499.
Raha tsara ny atao, sahobakaka aza mampidi-dranon-ketsa, raha ratsy ny atao, ny tain'omby mivadika aza mampianjera
niryna
3500.
Maso mahita tsy mitondra mody
niryna
3501.
Tany ikafaran-kilevenana;vady tsy tian-kianterana
niryna
3502.
Toy ny andevolahy miandry faty, ka izay mahery vava no lohany.
niryna
3503.
Ny eritreritra no papango avo indrindra misidy ambony dia ambony
niryna
3504.
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena.Ary tsara ny fitia noho ny voafotsy sy ny volamena
niryna
3505.
Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana
niryna
3506.
Aleo ravim-bomanga arahin-tsentsetra, toy izay hena kisoa arahin-dromoromo.
aivetinakely
3507.
Vavakisoa misy sira, ka tokinao hihinana azy.
aivetinakely
3508.
Ny trano nafindra tsy mitovy zoro.
aivetinakely
3509.
Rehefa tsy mety ny atao, na ny patsa iray tsy omby vava.
aivetinakely
3510.
Rehefa mety ny atao, na ny saho-bakàka aza mampidi-dranon-ketsa.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
115
116
117
118
119
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0202