Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3511.
Na dia tia fahadiovana manao ahoana aza, de tsy fanao ny manasa ravitoto.
aivetinakely
3512.
Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary.
aivetinakely
3513.
Tsy misy mamy tahaka ny zanaka, fa rehefa manaiki-nono ahifika.
aivetinakely
3514.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra atahorana.
aivetinakely
3515.
Tsy misy fitia fito taona, fa ny sisan'izay fihavanana.
aivetinakely
3516.
Tandra vadin-koditry ny fiainana ny fahazarana.
aivetinakely
3517.
Na ny valala aza hono tsy azo raha tsy andriana ilika.
aivetinakely
3518.
Ny olon-kandrandrana tsy anafenana ny loha sola.
aivetinakely
3519.
Tsy misy mahay hatrany an-kibondreniny, fa na ny mitan-tsotro aza ianarana.
aivetinakely
3520.
Tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto.
aivetinakely
3521.
Tokatranom-boalavo, samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
3522.
Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana, an-koditra vao mahangoly.
aivetinakely
3523.
Ataovy sahala amin'ny tokantranon-dandy, ao anatiny vao manatevina.
aivetinakely
3524.
Badolahy mian-tsena ka ny siramamy no atoraka alika.
aivetinakely
3525.
Tsy ny varotra no taloha fa ny fihavanana.
aivetinakely
3526.
Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana.
aivetinakely
3527.
Aleo vaky vilany mian'efitra toy izay maty olo-mazoto.
aivetinakely
3528.
Aza atao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, ka ny madilana tentenina, ny mainto atohy.
aivetinakely
3529.
Vavan-kisoa misy sira, tokinao hihinana azy.
aivetinakely
3530.
Tsy misy maloto tahaka ny kisoa fa rehefa miboaka be tondro-molotra.
aivetinakely
3531.
Rafotsy be kendam-bomanga, kendan' ny nasesiky ny tananany
rtol
3532.
tsa misy fo mahafoa vady hoe, fa ny maso no te hanan - droa.
ratanana
3533.
Basy atifi-kavana, tsy afenina fa arangaranga.
aivetinakely
3534.
Izay mandeha roa salahain'olombelona, ny mandeha irery salahain-Janahary.
aivetinakely
3535.
Asa atao an-kira, vita toa tsy natao.
aivetinakely
3536.
Ny anarana tanim-boanjo, ka samy mamaritra izay zakany.
aivetinakely
3537.
Sora-damba antsena ny fitiavana, ka samy mifidy ny tiany.
aivetinakely
3538.
Ny any am-pon'ny vilany, tsy any am-pon'ny siny.
aivetinakely
3539.
Ny alahelon-dehilahy tsy mihoatra ny herinandro, ny alahelom-behivavy mihoatra ny tapa-bolana.
aivetinakely
3540.
Kabarin-tsaka ka ny tso-drano no be.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
116
117
118
119
120
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.04