Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3331.
Omena tsy tia, koa avy eo vao aiza ny ahy teo!
ilanto
3332.
Mpamboly mahavokatra tsy mahay mitantana, koa mandadilady hila hanina any amin'ny mpanao mangazay.
ilanto
3333.
Miaka-bokatra tsy mahay mitsitsy, varatr'andro vao miasa tsy homan-kanina.
ilanto
3334.
Manao an'i Laborda tsy ho vazaha.
ilanto
3335.
Vazaha matim-basy, matin-draha nataony.
ilanto
3336.
Ambava tsy mila, fa am-po taralila.
ilanto
3337.
Amboalahy miandry embok'akondro, andraza tsy latsaka, avela toa hena.
ilanto
3338.
Mpaka zaza tam-po maniry hanan'anaka, rehefa tena mitady tsy mahazo intsony.
ilanto
3339.
Kristianina alahady, alatsianiny mangalatra akoho.
ilanto
3340.
Radio lany vato, mangina no sisa anjarany.
ilanto
3341.
Fiara lany lasantsy, ka na te handroso aza tsy afaka intsony.
ilanto
3342.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona.
ilanto
3343.
Miatranatrana toa vady vao.
ilanto
3344.
Tao-tranon'Antanànarivo, koa izay mahavita aloha no manenina.
ilanto
3345.
Manao Andriamani-tsy misy koa manambaka ny adala.
ilanto
3346.
Manao Andriamani-tsy misy, koa manambaka ny adala.
ilanto
3347.
Adala nomen-dasiray, herinandro mitsinjaka ihany.
ilanto
3348.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra mahatahotra
ilanto
3349.
Manao talily ren-dragnahary.
ilanto
3350.
Zagnahary agnabo koa mahita ny kilaraha iaby.
ilanto
3351.
Zagnahary magnome, fa gn'olo ro maniasia.
ilanto
3352.
Andriamanitra manome, fa Ibalita no tsy nambinina
ilanto
3353.
Aleo ro-madio tsy arahin-dromoromo toy izay hena matavy arahin'alahelo
niryna
3354.
Ny manantena ny tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
niryna
3355.
Ny alahelo toy ny raki-malala, ka raha tsy ny olon-tiana tsy amorahana azy
niryna
3356.
Maty an-tanana toy ny valala samborim-boka
niryna
3357.
Tsy ny tany no fady fa ny vavan'ny olona
niryna
3358.
Mandiha tany isika, miloloha lanitra, mandinihy rehefa miteny, mijere voa mamindra.
niryna
3359.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo
niryna
3360.
Izay misiditsidina ny eritreriny dia ho potraka noho ny nataony
niryna
Voalohany
Mialoha
110
111
112
113
114
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0818