Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3331.
Hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha
niryna
3332.
Raha miady izay sy ny azy, tsy ahaleo ny naterany
niryna
3333.
Aza midera vady mahay mandihy fa aoka ny sandriny no hilaza azy
niryna
3334.
Ny fitiavana dia saro tadiavina toa tao-polesy
niryna
3335.
Izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra
niryna
3336.
Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry
niryna
3337.
Izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny
niryna
3338.
Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka
niryna
3339.
Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no heriny
niryna
3340.
Tia ady ka lany harena
niryna
3341.
Tsy mangalatra manana adidy hoatra ny fangala-bola
niryna
3342.
Izy lahy sady mahery, fa izaho vavy sady malemy
niryna
3343.
Ny vava no tsy ato be, ny mamerina azy no tsy laitra
niryna
3344.
Na ny adala aza no tsy miteny dia toa hendry ihany
niryna
3345.
Aza miakatra ho rahona ka mihelin-ko zavona
niryna
3346.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
niryna
3347.
Tsy lany hamamiana toy ny fary
niryna
3348.
Tsia tia, tsy tia, fa tsy manidy trano
niryna
3349.
Ny olombelona tsy fo vato, fa fo emboka
niryna
3350.
Aleo tsy manana toy izay hanan-dratsy
niryna
3351.
Aza mitsipa-doha ny laka nitana
niryna
3352.
Ny fitivana dia tsy mena mivadika toy ny andro ririnina
niryna
3353.
Fa ataovy fitia tantely, tiana ihany fa tsy mba atelina
niryna
3354.
Aza atao fitiavam-bato, raha tapaka tsy azo atohy
niryna
3355.
Ny fisaorana dia sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiaro
niryna
3356.
Ny fisaorana dia sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiahy
niryna
3357.
Tapa-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato
niryna
3358.
Raha zanaka no tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
3359.
Toa faly sahirana toy ny akohokely hitsipazam-potsim-bary
niryna
3360.
Raha zaza tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
Voalohany
Mialoha
110
111
112
113
114
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0198