Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3151.
Fisaka ny marina ka sarotra fatarina
niryna
3152.
Aza ny fonon'ny boky no jerena fa ny votoatiny hitsarana azy
niryna
3153.
Mivoaka ho faty toy ny kakana
niryna
3154.
Izay mikambana vato fa izay misaraka fasika
niryna
3155.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina.
aivetinakely
3156.
Aza manao vain-drahalahy tsy maharary.
aivetinakely
3157.
Ny fanambadiana fihafiana ; izay tofoka aloha no kaikeri-nenina.
aivetinakely
3158.
Tsy mena-mivadika tahaka ny andro ririnina
aivetinakely
3159.
Sasa-miaina tahaka ny saka, mamba matory ka alàm-bolombava.
aivetinakely
3160.
Ny tia fa tsy mitaky sandany, izay no tena tia
aivetinakely
3161.
Ny mandeha irery salahain'Andriamanitra, ny mandeha roa salahain'olombelona.
aivetinakely
3162.
Fanjaibe hazo ny fitiavana ka very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
3163.
izay tsy miady olo-bodo fa izay tohy fo mpamosavy
ravaux
3164.
Tsy misy afaka manompo tompo roa fa ny iray ho tiany ary ny iray ho halany
niryna
3165.
MImenomenona hoatran'ny ampelam-batotra
niryna
3166.
Ny vy tsy mikitrana irery.
niryna
3167.
Aza mimenomenona toy ny sinoa very entana
niryna
3168.
Aza mandeha tsy voizina toy ny lakana mivalan-drano
niryna
3169.
Tsy misy mahamenatra toy ny mitari-bady tsy lasa vodiondry
niryna
3170.
Tsy misy fahoriana izay natao tsyho zakan-tsika
niryna
3171.
Manjenjem-poana toa ny alala azon'ody.
niryna
3172.
Aza manao hoe raha ho ahy mihondrahondra, fa raha ho azy miongota velona.
niryna
3173.
Valala iray hifanapahana
niryna
3174.
Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
niryna
3175.
Ny rano raraka tsy azo raofina
niryna
3176.
Ny vava tsy anambina ahitan-doza
niryna
3177.
Ny manetsa be mbola ho avy
niryna
3178.
Raha izaho no namely totondry tsy henoko ny fidobony, fa raha izaho no voan'ny tehamaina, henoko ny firotsony
niryna
3179.
Aza mamaky hakotry
niryna
3180.
Fanitsiana:Aza manjaitra atody vaky
niryna
Voalohany
Mialoha
104
105
106
107
108
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0188