Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3061.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
3062.
Efa leom-boanana ka tsy te-hierika zava-boribory intsony.
niryna
3063.
Izay mitambatra vato fa izay misaraka kosa dia fasika
niryna
3064.
Raha tsara tarehy kanefa tsy manana fanahy dia toy ny ako-bolamena ka mamiratra jerena
niryna
3065.
Izay mivoaka iray babany avokoa
niryna
3066.
Tsara loha ka endrehin-drandrana
niryna
3067.
Ny sakay no mahery an-tanin'olona
niryna
3068.
Raha mitambatra isika dia vato, fa raha misaraka kosa dia fasika
niryna
3069.
Ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany no fijery azy
niryna
3070.
Izay sahy maty ihany no mifono lamba-mena
niryna
3071.
Mihomehy hianao, mihomehy ny rehetra, mitomany kosa hianao dia hianao irery no manao izany
niryna
3072.
Izay mihomehy farany no lava fotoana hihomehezana
niryna
3073.
Mateti-pihavy toa akoho misotro rano
niryna
3074.
Maharary sady mahamenatra toy ny tongom-bakivaky
niryna
3075.
Aza mandray ombalahy latsaka an-tatatra fa raha afaka izy manoto.
niryna
3076.
Tsy afa -miala toy ny voalavo latsaka ambilanibe
niryna
3077.
Ny vilany no vaky, ny mpandoatra no mimonjimonjy
niryna
3078.
Mitomany randrana manendrika ny sasany
niryna
3079.
Aza miraikitra toa dita
niryna
3080.
Mitsakatsaka foana ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manompy sikidy
niryna
3081.
Kely marary fanaikitra toa parasy
niryna
3082.
ratsy tarehy be vody, tsy avelan'ny vodiny hiahaka
badboy
3083.
Fisaka ny marina ka sarotra fatarina
niryna
3084.
Aza ny fonon'ny boky no jerena fa ny votoatiny hitsarana azy
niryna
3085.
Mivoaka ho faty toy ny kakana
niryna
3086.
Izay mikambana vato fa izay misaraka fasika
niryna
3087.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina.
aivetinakely
3088.
Aza manao vain-drahalahy tsy maharary.
aivetinakely
3089.
Ny fanambadiana fihafiana ; izay tofoka aloha no kaikeri-nenina.
aivetinakely
3090.
Tsy mena-mivadika tahaka ny andro ririnina
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
101
102
103
104
105
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0207