Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3001.
Tsara ivelany ohatran'ny tsihy
niryna
3002.
Madio ivelany ohatran'ny fasam-bao
niryna
3003.
Miriorio ny angidina ka any an-kady no hiafarany
niryna
3004.
Tefin'olona tsy mahay ka tsofa no manamarina azy.
niryna
3005.
Fatra- mpifidy ny aranany ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
3006.
Fatra mpitady ny tsy hita ka manary ny hita maso.
niryna
3007.
Mandany zara ny sasany.
niryna
3008.
Rangahibe no tratr'andro:Rafotsibe no nanadala azy.
niryna
3009.
Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany.
niryna
3010.
Mihena an-toerana toa fen'antitra.
niryna
3011.
Toy ny fanoto:antitra vao kely anarana.
niryna
3012.
Aza manao fatin-dalitra ka maty mitety ratsy, fa manaova fatin- tantely ka maty mamela mamy ho an'ny fokonolona
niryna
3013.
Aza manao ahitra teraka alohan-jaza.
niryna
3014.
Mitsaha-dava hoatran'ny amalo-maty.
niryna
3015.
Vorondolo mitera-boromanga ka tsara indray noho ny rainy
niryna
3016.
Ny miloloha vato tsy mihalana, hono, mankarary an-doha ; ny matory tsy milafika mankarary tehezana.
aivetinakely
3017.
Ny lavanify mihinan-taolana no tafaray samy mafy, fa ny banga mifanaikitra no tsy ahitàna izay dia-nify
aivetinakely
3018.
Ny langoraona sy amponga no tsy mitovy feo mifanaraka, ary ny kintana sy ny volana no samihafa famiratra mifanotrona.
aivetinakely
3019.
Rafotsibe maty andron'andriana sady tsy aty no tsy any Ambondrom-be.
aivetinakely
3020.
Aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka.
aivetinakely
3021.
Ny lehilahy tsy boka herin-taona.
aivetinakely
3022.
Aza manao tondraka anio manan-jara.
aivetinakely
3023.
Izay mamafy rivotra mijinja tadio.
aivetinakely
3024.
Manetsa mahalana ka mijinja izay atao.
aivetinakely
3025.
Tovolahy mahita fotsim-bary:arotsahy, arotsahy ihany.
aivetinakely
3026.
Havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa havan-tetezina.
aivetinakely
3027.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy, ka ny mahery tsy hobiana, ny resy tsy akoraina.
aivetinakely
3028.
Ny varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana.
aivetinakely
3029.
Tongotra mby an-dakana, ka tsy miverin-dalana intsony.
aivetinakely
3030.
Aza mitsentsitra ny hafa ohatra ny dinta.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
99
100
101
102
103
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0191