Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2731.
Toy ny voatavo tsy mifandraka, fa zazabodo
kanto1
2732.
Miara-monina amim-pahalainana fahazaza ka mitafy vori-damba rehefa antitra
kanto1
2733.
Manaram po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
kanto1
2734.
Manaram po fahazaza ka misoron afo fotsy volo
kanto1
2735.
Tsibotry isika naraka ihany ka adrisa indray ve vao hifanary.
aivetinakely
2736.
Aza manao toy ny valalan'amboa ka na efa antitra aza mitsipika ihany.
aivetinakely
2737.
Ampingam-pihara-bolamena sy tahonanganalam-bolafotsy : izay maharesy iravahana, izay mananda isampinana
ontsy
2738.
Aza manampa-kevitra ao anatin'ny fatahorana
niryna
2739.
Aza avela ho tratry ny hatezerana akory ny andronao
niryna
2740.
May ny tanana raha mandalo Ramaka
niryna
2741.
Ny zavona no manamaizina ny mazava
niryna
2742.
Raha mihavana aminay, aza milela-tanana
niryna
2743.
Sitraka enti-matory ka valian-draha mahatsiaro
niryna
2744.
Aleo vandana imaso, toy izay vandana ivoho
niryna
2745.
Mihoatra ny tokonana tsy afaka, ka mihoatra ny rindirna vao afaka!
niryna
2746.
MItaitay ho any Ilafy ka tsy misy mpanontany raha mby any Ambohitrarahaba
niryna
2747.
Izay sahy nintsy mitsobo-drano fa izay sahy maty mifono lambamena.
aivetinakely
2748.
Jamba miteraka zanaka tsara, ka tantarao ahy ny toe-tr'endriny.
aivetinakely
2749.
Tsy azo atao ny mifidy anatrehan'ny volana na masoandro fa ny iray fanilon'ny aizina, ny iray fitariky ny mazava.
aivetinakely
2750.
Vehivavy tsara, tsy very mandeha.
aivetinakely
2751.
Ny vady jerijery, ny rafozana fanambina.
aivetinakely
2752.
Ny tain'omby voavadika tsy misy mpaka no mariky ny fandriam-pahalemana.
aivetinakely
2753.
Manaiki-droa lany tahaka ny dinta, ka maty mora tsy ananan'olona antra.
aivetinakely
2754.
Sasa-miaina tahaka ny angavo kany mpahary azy indray no tondroana vody.
aivetinakely
2755.
Aza matoky tena tahaka ny antsy kely be zarana.
aivetinakely
2756.
Ny mahidy no lany be
aivetinakely
2757.
matikambo ohatran'ny saka, ny tay totofana nefa ny vody tsy firana
mimi79
2758.
Mandoa in-droa tahaka ilay marary vavony mankany amin'ny dokotera, ny aretina efa mampandoa, ny vola tsy maintsy haloa
Bocassa
2759.
Araben'Antananarivo, na malalaka aza tsy azo ivalaparana
Bocassa
2760.
Gila maso mangata-bady, ny zanany no angatahana ka ny reniny no atao tsara tily.
Bocassa
Voalohany
Mialoha
90
91
92
93
94
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0175