Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
2311.
Masoandro mihiratra ny fahazazana, ka tsiaro mandra-maty.
aivetinakely
2312.
Adala ny tia, ka miaro hatramin'ny faran'ny aina.
aivetinakely
2313.
Ny fo rano mafana ka nony mitroatra mahavaky fefiloha.
aivetinakely
2314.
Aza mba mamitaka jamba fa ny Tompo no miady ho azy.
aivetinakely
2315.
Antsapaka ny fitiavana, ka samy mandray sy mifaly amin'ny tandrifiny.
aivetinakely
2316.
Lehilahy manoloana vehivavy kambana, ny mifidy no ambàka.
aivetinakely
2317.
Aza mba tojo ny anjara ratsy, fa mianiana amin'ny tsy amin'antony.
aivetinakely
2318.
Izay tia resy, izay tiavina miangentsana.
aivetinakely
2319.
Miambovona tahaka ny vehivavy vita fomba, ka manadino ny adidy miandry.
aivetinakely
2320.
Aza manambady mamolava, fa rehefa lany ny hareny, hamidiny mbamin'anaka.
aivetinakely
2321.
Vehivavy tsara ofana ka miomà na ianao mifanehatra aminy.
aivetinakely
2322.
Aza mba mora azo tahaka ny vehivavy diso fanantenà na.
aivetinakely
2323.
Mora lasa vinany tahaka ny vehivavy, miantsampy hazo tsy fantatra no iafarany.
aivetinakely
2324.
Raha tsy nahomby ny natao, miondreha maka saina de misikina herimpo, mamafaza na impito.
aivetinakely
2325.
Mafy hatoka tahaka ny amalon-kely, hanina tsy hahavoky no namoizana ny aina.
aivetinakely
2326.
Tia olona tsy tia ny tena, aoka hionona hiandry ny rariny.
aivetinakely
2327.
Mody maty tahaka ny antsantsa, nefa mikendry haza.
aivetinakely
2328.
Mody tsy mijery tahaka ny lehilahy tia, mitsipelatra indray mandeha anefa de mahatahiry ny totalin'endrika.
aivetinakely
2329.
Henjan-daditra tahaka ny mpitaon-jezika, manadino mampinono zaza.
aivetinakely
2330.
Zatry ny niadan-dratsy, mamaham-piso avy no anakaramàna.
aivetinakely
2331.
Zatra niondan-tsandry ka mikohaka mionda-mololo
aivetinakely
2332.
Ftiavan-tanindrazana no anetsenana ny hambo-mpo
aivetinakely
2333.
Miari-tory alin-draika, fito andro manefa trosa
aivetinakely
2334.
Mandidy hena ambony fe, manao sorona ny saro-pady.
aivetinakely
2335.
Hendry anaty tahaka ny lolo, fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany.
aivetinakely
2336.
Vazo natolotra alina, mizàka ny vokatry ny anjara.
aivetinakely
2337.
Voady natao tamin'ny fo, ka vonona hiaina azy ampitsikiana na mafy aza.
aivetinakely
2338.
Lafo vidy tahaka ny vangim-boay, tsy azo tsy aman'aina.
aivetinakely
2339.
Ny mpiantoka very alohan'ny mpitrosa.
aivetinakely
2340.
Boky nahitàna soa, tsy voapirina fa iondanana.
aivetinakely
First
Previous
76
77
78
79
80
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0167