Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2311.
Ny olona mety manahy izay teneninao fa mino kosa izy izay ataonao
niryna
2312.
Famindrana indray mandeha no niandohan'ny dia an-jatony maro
niryna
2313.
Tsy ampihova na inona na inona ny mipetraka fotsiny raha tsy manao hetsika
niryna
2314.
Mora ny miteny fa sarotra ny mamita hafatra
niryna
2315.
Tsy hampiova na inona na inona ny resaka raha tsy atao amin'ny fihetsika
niryna
2316.
Fantatra amin'ny fihetsiny ny toetrany
niryna
2317.
Izay manolotra ny tava ho tratry ny masoandro dia efa manantena ho may
niryna
2318.
Ny olombelona toy ny molo-bilany, ka iray mihodina ihany
niryna
2319.
Tsy mahazaka havam-bady, very voninahitra sady tsy manan-drariny.
aivetinakely
2320.
Ny tia mody mamilafila, fa ny tsy tia mitady kendritohina.
aivetinakely
2321.
Vinanto tia fosa rafozana, tsy mitsinjo ny ho farany.
aivetinakely
2322.
Hifidy ihany ka tsy haka ny mahafampo.
aivetinakely
2323.
Ny tsara vintana no midera anjara, fa ny ratsy kosa mifia-dranomaso.
aivetinakely
2324.
Ny hafaliana tsy ahombiazana, te-handihy foana mandritry ny andro.
aivetinakely
2325.
Kamo be tenda ka mahatonga ny mpialo ho sain-kanina.
aivetinakely
2326.
Raha ianao vatokely manafintohina, ny aty vatolampy ampy handihizan'ny varatra.
aivetinakely
2327.
Ny àmbany no tsy tanty fa rehefa mihatra zaka ihany.
aivetinakely
2328.
Eny Itôsy no mamahana alika ka aty Andranolalina no mitady hanina.
aivetinakely
2329.
Raha mahahitsy ny tenanao hianao dia tsy hanitsy anao intsony ny hafa
niryna
2330.
Izay tsy mino afatsy ny tenany irery ihany no miafara amin'ny fisaraham-panambadiana
niryna
2331.
Ny olona izay tsy mino afatsy ny tenany ihany dia miaina ao anatin'ny maizina
niryna
2332.
Ny tena toetranao ve? Rehefa very avokoa ny maha hianao anao
niryna
2333.
Fantatrao ny maha hianao anao rehefa tsy misy olona manodidina anao
niryna
2334.
Any milefona omby hianao, aty mively rano
niryna
2335.
Aza manao vono-moka
niryna
2336.
Tsy mba ny manta ho tohazana aho fa ny masaka efa mihintsana
niryna
2337.
Ny fihavanana hoatra ny landy, maty isika famonosana, velona itafiana ka ny madilana arahi-panondro.
niryna
2338.
Fatra-piahy mpamosavy, fatra-pifehy fangalarina
niryna
2339.
Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
niryna
2340.
Very Ivoara ka tondraka Ivarahana
niryna
Voalohany
Mialoha
76
77
78
79
80
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0164