Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2251.
Aza mba tojo ny anjara ratsy, fa mianiana amin'ny tsy amin'antony.
aivetinakely
2252.
Izay tia resy, izay tiavina miangentsana.
aivetinakely
2253.
Miambovona tahaka ny vehivavy vita fomba, ka manadino ny adidy miandry.
aivetinakely
2254.
Aza manambady mamolava, fa rehefa lany ny hareny, hamidiny mbamin'anaka.
aivetinakely
2255.
Vehivavy tsara ofana ka miomà na ianao mifanehatra aminy.
aivetinakely
2256.
Aza mba mora azo tahaka ny vehivavy diso fanantenà na.
aivetinakely
2257.
Mora lasa vinany tahaka ny vehivavy, miantsampy hazo tsy fantatra no iafarany.
aivetinakely
2258.
Raha tsy nahomby ny natao, miondreha maka saina de misikina herimpo, mamafaza na impito.
aivetinakely
2259.
Mafy hatoka tahaka ny amalon-kely, hanina tsy hahavoky no namoizana ny aina.
aivetinakely
2260.
Tia olona tsy tia ny tena, aoka hionona hiandry ny rariny.
aivetinakely
2261.
Mody maty tahaka ny antsantsa, nefa mikendry haza.
aivetinakely
2262.
Mody tsy mijery tahaka ny lehilahy tia, mitsipelatra indray mandeha anefa de mahatahiry ny totalin'endrika.
aivetinakely
2263.
Henjan-daditra tahaka ny mpitaon-jezika, manadino mampinono zaza.
aivetinakely
2264.
Zatry ny niadan-dratsy, mamaham-piso avy no anakaramàna.
aivetinakely
2265.
Zatra niondan-tsandry ka mikohaka mionda-mololo
aivetinakely
2266.
Ftiavan-tanindrazana no anetsenana ny hambo-mpo
aivetinakely
2267.
Miari-tory alin-draika, fito andro manefa trosa
aivetinakely
2268.
Mandidy hena ambony fe, manao sorona ny saro-pady.
aivetinakely
2269.
Hendry anaty tahaka ny lolo, fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany.
aivetinakely
2270.
Vazo natolotra alina, mizàka ny vokatry ny anjara.
aivetinakely
2271.
Voady natao tamin'ny fo, ka vonona hiaina azy ampitsikiana na mafy aza.
aivetinakely
2272.
Lafo vidy tahaka ny vangim-boay, tsy azo tsy aman'aina.
aivetinakely
2273.
Ny mpiantoka very alohan'ny mpitrosa.
aivetinakely
2274.
Boky nahitàna soa, tsy voapirina fa iondanana.
aivetinakely
2275.
Ny tsara tarehy mora fandrihana, ny ratsy kosa miavon-tsy feno.
aivetinakely
2276.
Tsikovoka antanety, mitanina andro vao manafohy fiainana;
aivetinakely
2277.
Izay diso matahotra lany hery, fa ny matoky tena very namana
aivetinakely
2278.
Vidin-dafo tahaka ny zanaky ny mpanana, saingy mora ariana rehefa nandiso fanantenàna.
aivetinakely
2279.
Tovovavy miteraka tsy am-panambadiana, mitombo isa vao mihem-bidy.
aivetinakely
2280.
Aza odian-tsy hita toy ny longoa mitoto-bozaka, fa ianao ihany no voafandrika.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
74
75
76
77
78
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0158