Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2161.
Varotry ny mananon-tena, raikitra vao tera-kovitra.
aivetinakely
2162.
Manamboara fo, fa aretina tsy misy fanafany ny manin-tany.
aivetinakely
2163.
Manaova tahaka ny akondro, ny kely manotrona ny lehibe, ny lehibe manalokaloka ny kely.
aivetinakely
2164.
Voarabe endriky ny saha, miandra voninahitry ny lanitra, miondrika fahazavan'ny tany.
aivetinakely
2165.
Aza mora mamoifo fa mora volena ny fitiavana.
aivetinakely
2166.
Loham-balala, tsy misy hanarahana azy fa tainy avokoa.
aivetinakely
2167.
Ny amoizana ny tsy foy hananan-tiana.
aivetinakely
2168.
Ataovy fitia foza kely ka lany mbamin'ny korany.
aivetinakely
2169.
Ny fisian'ny vaovao no mahasitrana ny ratra teo aloha.
aivetinakely
2170.
Mahantra ny tia irery.
aivetinakely
2171.
Ny olon-tiana no vahatry ny aina.
aivetinakely
2172.
Ny tambitamby efa lany, ny fitia efa nadiva ka na hifona aza tsy azo iverenana intsony.
aivetinakely
2173.
Akoho nikotrika atodi-mamba ka mamelon-doza ho an'ny tena.
aivetinakely
2174.
Mafy orina tahaka ny vatolampy ny fitiavana, ka tsy azo hozongozonina.
aivetinakely
2175.
Fatra-pinehaneha mila holatra, ka tojo ny mangidy tsy telina.
aivetinakely
2176.
Resaky ny mpiandry fody tsy idiran'ny mpiandry kisoa.
aivetinakely
2177.
Efa lany andro ny vady amboarina.
aivetinakely
2178.
Vadivao mifanena amin-drafozana, sahiran-tsaina ny fomba hiantsoana azy.
aivetinakely
2179.
Ratsy anarana tahaka ny hena fizara am-paty.
aivetinakely
2180.
Tsara toerana tahaka ny tantely, fomba fiteny avy ka nahazoam-boninahitra.
aivetinakely
2181.
Fandrotrarana mandady anaty rano, fongory fa tsy fahitan-drazana.
aivetinakely
2182.
Ovin'Antsirabe, malaza amin'ny fitsofana azy ihany.
aivetinakely
2183.
Tia taratra tahaka ny tovovavy matroka endrika, miandry ho sitrana isa-minitra.
aivetinakely
2184.
Foza mifanena amin'ny oram-baranga, ny loko itovizana ihany fa ny raifi-batana no samihafa.
aivetinakely
2185.
Aza maniry ho foza, fa na mijoro aza mihorirana foana.
aivetinakely
2186.
Voatoraka amin'ny rariny tahaka ny saka miaraka amin'ny jaboady.
aivetinakely
2187.
Aza mifaninana amin'ny oron-tsaka, fa na an'arivony metatra aza mandre fofona foana.
aivetinakely
2188.
Lavanify tia tsiky, tsy fantatra na tezitra na hanaikitra.
aivetinakely
2189.
Fom-behivavy ratsiana anaka, tsy fantatra na sangy na hatezerana.
aivetinakely
2190.
Mpandihy lava volon-kelika, mahay mahazo tsiny, tsy mahay mahazo fosa.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
71
72
73
74
75
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0158