Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe akory
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
akory
Hampiditra ohabolana
-29.
Vahinin’ny Andriamora, variana nitazana ny tsy ho azony akory. Ny Andri-Fara : 03.07.2000
SANAKERIB
-28.
Aleo ambany toetra,nefa manana mpanompo iray,Toy izay mihambo ho be voninahitra,nefa tsy manan-kohanina akory.
FENOSOA2
-27.
Tsy voavonjin'ny hafa akory fa ny havana ihany no hala-mahatratra
yveratsimb
-26.
Izay hajaina tsy ho andriana tsy akory, ary izay manaja tsy ho andevo tsy akory ; ka tsara ny mifanaja.
yveratsimb
-25.
Aza ny havana no asian-dratsy; fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
niryna
-24.
Tsy vorombazaha tsy enina akory aho, ka hitelim-bato madinika.
soanja
-23.
vezo lahy mena maso ka tsy toaka akory fa voa-janahary
kiriah
-22.
Tsy lahatra akory ny habadoana fa ny loha tsy atao fitoera-tsakotra fotsiny.
ZEMJOS
-21.
Tsy ahoako akory izay masoandro raha ianao jiro keliko ampy hanazàva ahy.
aivetinakely
-20.
Aza avela ho tratry ny hatezerana akory ny andronao
niryna
-19.
Tsy hoe lava volo an-katoka akory ka hatory tsy miondana.
aivetinakely
-18.
zatovo miavon-tsahala ka tratry ny akory izao!
latina
-17.
Izay hajaina tsy ho andriana tsy akory, ary izay manaja tsy ho andevo tsy akory, ka tsara raha mifanaja.
latina
-16.
Aiza izy zany toa bé volombolony tsy hitako akory ny ateviny molony
rafozanasket
-15.
tsy resy tsy akory ny olo-mangina...
Malalason
-14.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanàna tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
-13.
Aza ny havana no asian-dratsy, fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory
hery
-12.
Aza ny havana no asian-dratsy, fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0687