Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vorona
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vorona
Hampiditra ohabolana
-29.
Aza manao lalitra tsy ho vorona,fa ny kely ihany no ho lasa lehibe
gerardjapon2
-28.
Foto-kazo sy vorona ka izay tia manatona
OZ16
-27.
Adaladala nahazo vorona, ka ny volom-bodiny no nongotana fa tsy ny elany.
BEDOGAIGY
-26.
Ny an'ilay niandrandra nijery vorona : "tsy tay iny fa fanampi-paraky"
endriny
-25.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany naniriany
yveratsimb
-24.
Maro ny vorona fa ny railovy no manga feo, maro ny teny fa ny teny gasy no tsy afako loatra.
soanja
-23.
Vorona tokana anosy ka miherikerika irery.
soanja
-22.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany aniriana.
soanja
-21.
Ny vitsika manana ny lavany, ny vorona manana ny akaniny ary ny olona manana ny tranony.
soanja
-20.
Vorona tokona amoron-drano ka miherikerika irery
niryna
-19.
Aza manao vorona azon'adala ka na tsy maty aza, mifohafoha volo
niryna
-18.
Aza mandatsa vorona azo.
niryna
-17.
Vorona nihoatra an'Andringitra, afoizo fa antanindrazany.
aivetinakely
-16.
Vorona tsy antanana tsy atolo-jaza
sylvoalias
-15.
Ianareo vorona manim-poto-kazo, izahay hazo miandry voron-kitoetra.
aivetinakely
-14.
Ny vorona iray eo an-tanana tsara lavitra noho ny vorona roa any an-tsaha
niryna
-13.
Tsy naha-vazaha renivorona fa sendran'izay sifitra antitra
rtol
-12.
Na maro aza ny vorona ny goaika no nihinana ny voanjo.
niryna
-11.
Aza manao vorona azon'adala ;ka na tsy maty aza, mifohafoha volo.
niryna
-10.
zanaka tsy nateraka mahabe vavorona
latina
-9.
Sifotra antitra aho, ka tsy maha-reny vorona anao
latina
-8.
Tsy misy lehibe toy ny vato, fa rehefa tsy miteny, anaovan'ny vorona maloto.
marozevo
-7.
Aleo manana vorona iray an-tanana toy izay zato eny an'habakabaka
Ingahy
-6.
Tsy misy tsy mafy ohatran'ny vato fa rehefa tsy miteny angerezan'ny vorona
pseudofanja
-5.
Vorona azon'adala, na tsy maty aza mifohafoha volo
jentilisa
-4.
Hazo sy vorona, izay manina no manatona
jentilisa
-3.
Ny tsy itenenan-dRavato hono no angerezan-dRavorona eo amboniny
jajaf401
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0167