Fanoroam-pejy
Hiditra
Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Nampidiriko
Samihafa
Lisitry ny ohabolana
Hitady ohabolana
Ok
Mampiseho ny 8 - 27 amin'ny 27
Raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby.
jentilisa
Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty
Vetso
Manaova Zavatra Mba Hitiavan'olona Anao
Avoss
ny fahafatesana tsy manisa ny aina efa matiny.
jentilisa
aza manirina omon-tsy afaka aina
latina
Aleo maty mitsangana toy izay velon-kandady.
lanto
Zara hetra ny fahafatesana ka samy mandray ny anjarany.
aivetinakely
Tsy misy malahelo tahaka ny maty vady fa rehefa manitsaka afo, mihinjaka ihany.
aivetinakely
Tany ikafaran-kilevenana;vady tsy tian-kianterana
niryna
Ny tompony mahazaka ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
Maty mangina toy ny otrik'afo
niryna
Aza manao fatin-dalitra ka maty mitety ratsy, fa manaova fatin- tantely ka maty mamela mamy ho an'ny fokonolona
niryna
Raha ho faty aho matesa rahavana! Raha ho faty rahavana matesa ny omby!
sylvoalias
Ny Alahelon'ny Olona Iray ,misy Vokany Eo Amin'ny Fiainanao
Avoss
aleo maty ,toy izay mijaly
Avoss
Gny hafady marary tsy misy, ka gny halofo faty ka misy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
Enti-maty toy ny tarehy.
soanja
Ny fasana, Andriamanantena; fa ny olona kosa, Andrianantenaina.
soanja
Tsy hitanareo va ny maty? Tatarobe miefi-damba, misaron-doha tsy ho aiza. Maraina tsy mba mifoha, hariva tsy mba mamindro; tany mena no ambny tratra, rari-vato no an-dani-mandry.
soanja
Ny maty handry toy ny vovoka, fa ny velona hihinana toy ny olona.
soanja
1
2
>