Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Amalo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Amalo
Hampiditra ohabolana
1.
Rehefa tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty
aivetinakely
2.
Ny amalona aza hono mba miady nefa samy malama, maika fa isika olombelona.
aivetinakely
3.
Tsa ny amalogna ho haza fa ny tagnana mifandray.
SYLLA8
4.
Amalo mamadi-pe, ho tombohe, mahavoa fe, havotsotse laoke
Momake
5.
Ny hasasarana mahamaloka endrika
yveratsimb
6.
Amalon'iMoriandro, tsy hain-jaza , tsy haim-behivavy.
aivetinakely
7.
Aza malady hofana toa amalon-kely.
aivetinakely
8.
Mifankatia amin'ny amalona, ka nony sendra tia, nabolilany
yveratsimb
9.
Na fy aza ny amalona , ny lela tsy atao jono
aivetinakely
10.
Mamioka amalogna ambovo: mandrara gny ho avy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
11.
be vava nanjono pirina ; pirina no azo ka amalona no lazaina fa nanapa-tady
bobone
12.
Mafy hatoka tahaka ny amalon-kely, hanina tsy hahavoky no namoizana ny aina.
aivetinakely
13.
Aza malady hofana toy ny amalon-kely fa tsy mahaela velona.
aivetinakely
14.
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty
aivetinakely
15.
Aza malady hofana tahaka ny amalon-kely fa tsy maha-ela velona izany.
aivetinakely
16.
Aza malady hofana tahaka ny amalon-kely fa tsy maha-ela velona izany.
aivetinakely
17.
Mitsaha-dava hoatran'ny amalo-maty.
niryna
18.
Tojo ny amalona be menaka hoe ka tsy mahalala zanaka amam-para, ka rehefa kenda dia hoe dony kely aho ranaotra
sylvoalias
19.
Naniraka amalona hatsàka, tonga an-tanindrazany izy de tamàna.
aivetinakely
20.
Mitso-dava ohatran'ny amalo-maty
niryna
21.
Matin-kaninkely toa amalona.
aivetinakely
22.
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty.
aivetinakely
23.
Naniraka amalona hantsaka, afoizo fa tonga an-tanindrazany.
aivetinakely
24.
Aza be siasia toy ny amalona andrano.
niryna
25.
Mifankatia amin'ny amalona;ka nony sendra tia, nabolilany
niryna
26.
Matin-kanin-kely toa amalona
latina
27.
amalon'Imoriandro aho, ka tsy hain-jaza tsy haim-behivavy
latina
28.
za-drano toa amalona antitra
latina
29.
Toa an'ilay jamba nomena amalona: koa amalona, hono, ity, andriamanitra!
latina
30.
Mikapoka amalona am-bovo, misakana ny mbola ho avy
latina
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1421