Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Faran
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Faran
Hampiditra ohabolana
1.
Tsisy farany ohatran`ny zoma voalohany
RIJA08
2.
Vady tsy tiana ianteherana tany ikafarana ilevenana.
Tambanivohidahy
3.
Tsy mitsinjo ny farany ohatra ny andevo mahita fotsim-bary
todisoaerickbruno9
4.
Banga mifanoroka, ka fotodela no farany
mthzah
5.
Adala ny manina ka ny tompo-bady no hafarana.
BEDOGAIGY
6.
"Amin'ny izay rehetra atao, tsarovy fa misy ny farany"
manirii
7.
Mitery omby tsy mirohy hoatra an-dRabemalo, ka ho fatin'ny daka no farany
yveratsimb
8.
Diamangam-boka: hehy no farany
yveratsimb
9.
Kalon' antitra ka tany no farany
yveratsimb
10.
Arivo tatatra ,zato renirano;ny faran'ny rano Ikopa ihany.
niryna
11.
Ny hazo tapahina manam-pototra, ny hazo vakina misy ilany, ny teny atao misy farany.
niryna
12.
Adala ny tia ka ny tompom-bady indray no hafarana
aivetinakely
13.
Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenako
walte
14.
Atodin-tetso: sady farany, lohany. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
15.
Toy ny taretra ka ny farany ihany no alain-taranaka.
soanja
16.
Toy ny aviavy ka mangidy am-boalohany, fa mamy amin'ny farany.
soanja
17.
Za-dratsin'ny mangalatra, ka nony farany mifanena amin'ny mpaka kitay.
aivetinakely
18.
Bevohoka mitsinjo ny farany, mihinan-dravim-bomanga andro aman'alina.
aivetinakely
19.
Adala ny tia, ka miaro hatramin'ny faran'ny aina.
aivetinakely
20.
Mora lasa vinany tahaka ny vehivavy, miantsampy hazo tsy fantatra no iafarany.
aivetinakely
21.
Vinanto tia fosa rafozana, tsy mitsinjo ny ho farany.
aivetinakely
22.
Ny ela nandeferana tsy mahandry ny ho farany
aivetinakely
23.
Adala ny tia ka ny tompom-bady no hafarana
aivetinakely
24.
Toy ny kalon antitra, ka tomany no farany.
kanto1
25.
Tsy mino vary lany raha tsy mahita ny faran-kady mangeroka.
aivetinakely
26.
Ny fifaliana dia lalana andalovana fa tsy fiafarana
niryna
27.
Adala ny manina ka tompom-bady no hafarana.
aivetinakely
28.
Miriorio ny angidina ka any an-kady no hiafarany
niryna
29.
MIriorio ny angidina kanefa any an-kady ihany no hiafarany
niryna
30.
Izay mihomehy farany no lava fotoana hihomehezana
niryna
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0315