Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe aizina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
aizina
Hampiditra ohabolana
1.
Indroa nahita ny maizina otran`ny tain`omby natsentsina an-davaboalavo
RIJA08
2.
sarotr'enjehina toy ny saka mainty ao anaty haizina, indrindra raha tsy misy ao
yveratsimb
3.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady,azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
yveratsimb
4.
Toha latsaka am-bovo: mazava andro idirana fa maizina andro ivoahana
yveratsimb
5.
Mazava ampidirana tahaka ny vovo, fa maizina ampivoahana.
aivetinakely
6.
Ny olona izay tsy mino afatsy ny tenany ihany dia miaina ao anatin'ny maizina
niryna
7.
Manjelatra amin'ny maizina tahaka ny masompiso, tsy haingo fa adidy hisamboram-boalavo.
aivetinakely
8.
Ny zavona no manamaizina ny mazava
niryna
9.
Tsy azo atao ny mifidy anatrehan'ny volana na masoandro fa ny iray fanilon'ny aizina, ny iray fitariky ny mazava.
aivetinakely
10.
Izay zavatra ataonao ao anatin'ny maizina no ahalalana ny tena toetranao.
niryna
11.
Izay anjakan'ny fitiavana tsy anjakan'ny haizina
DMX
12.
Mazava ampidirana fa maizina ampivoahana tahaka ny vovo.
aivetinakely
13.
Ny volana manakona masoandro no miteraka aloka sy haizina, fa ny masoandro be lohataona no manome hazavàna ka tsy manan-kasosorana amin'olona.
aivetinakely
14.
Gena miady amin'ny maizina, ka izay mitsika aloha no vaky vava.
hr9296
15.
Ny mpanota maniry ny andro ho maizina; kanefa ny jamba tsy azo ahoana.
latina
16.
Jamba am-pototry ny jiro, ka maizina anilan'ny mazava
latina
17.
Maizina ny andro, azo tsilovina, lalina ny rano, azo lakanina, lalina ny hady, azo toharina, fa ny ratsy atao tsy mb azon-kevitra.
latina
18.
Ny zavona no manamaizina ny mazava.
latina
19.
Indimy mahita maizina tahaka ny jamba miakanjo mainty, manao solomaso mainty, mandeha ao anaty tonelina amin' ny andro alina
fek
20.
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava.
ftma
21.
Aza homa-maizina raha misy fanilo
ftma
22.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0474