Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe dobo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
dobo
Hampiditra ohabolana
1.
Boka mita rano, toy ny fidoboka
jaotianah
2.
Aza atao fively amponga ny havana : ka ny iray am-baviny tambatambazana, ary ny iray kosa an-dahiny hodobodobohana.
yveratsimb
3.
Aza manao tahaka ny vorontsiloza : mikorefarefa tsy ankizivavy, dia izy ihany ; manakora tsy adin'ombilahy, dia izy ihany ; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany ; midoboka tsyampongabe, dia izy ihany.
yveratsimb
4.
Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray andahiny dobodobohana
yveratsimb
5.
Langilangy zozoro, ka midoboka fa tsy maharary.
soanja
6.
Ny dobo tsy hita no mahamanina, fa rehefa hita sahala ihany.
soanja
7.
Raha dobo tsy ho sahy siny aho, dia miketraka ho renirano
niryna
8.
Raha izaho no namely totondry tsy henoko ny fidobony, fa raha izaho no voan'ny tehamaina, henoko ny firotsony
niryna
9.
aza manjono an-dobo
nalaina
10.
tsikovoka an-dobo: matavy tsy afahy, tsindrahaka an-tatatra, mahia tsy marary
latina
11.
Vely ampongan'ny Manendy, ny andahiny dobodobohina ny ambaviny kenakenaina.
jentilisa
12.
ny dobo tsy hita no mahamanina
JMR
13.
Aza atao fively amponga ny havana, ka ny iray ambaviny tambatambazana, ary ny iray andahiny hodobodohohina
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0442