Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fila
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fila
Hampiditra ohabolana
1.
Be faniry, kely fila; ny vary aloha tsy ataon' ny kamo
yveratsimb
2.
Ny fahadiovana sy ny filaminana, ny fiasana sy ny fitsitsiana : izay tokan-trano miorina amin'izany tsy mba ho rava
yveratsimb
3.
Manahirana hoatran'ny filaina mihenjana vao maraina, enti-mihohoka maharary, enti-mitsilany manainga bodofotsy!
tomms
4.
Aoka tsy hanao toy ny mpirafilahy miray fandriana, ka tsy afaka hiray lamba, na samy te-hiady amin'ny hatsiaka aza.
Razatovo
5.
Ny fo miangoty, ny saina mandinika, samy manana ny filàny avy
aivetinakely
6.
Ny mora tezitra mandranitra ady fa ny mahatsindry fo mitsinjo filaminana
RATOVOARY
7.
sakaiza manody, sakaizan-drafilahy
bobone
8.
Ny tia mody mamilafila, fa ny tsy tia mitady kendritohina.
aivetinakely
9.
Miova sata miova andriana, manova vady manova filan-kevitra.
aivetinakely
10.
Ny vady filàna hevitra , ny namana mpanavotra amin'ny sarotra
aivetinakely
11.
Ny filana vola no mahatonga ny ankabeazan'ny olona hiasa tsara
niryna
12.
Ny filalaovana sy ny asa tsy miaraka.
niryna
13.
vazivazy iray an-dalana, fa ny nonon-drafozana tsy filalao
miara
14.
Aza manao be filaza ka manao kely fitondra mody
McFy
15.
Be faniry, kely fila ; ny vary aloha tsy ataon’ny kamo.
hery
16.
Aza atao filan-draha tsy mahita na fiatontana raha resy ny havanao.
jentilisa
17.
Be filaza fa kely fitondra
jentilisa
18.
Ikotokely milalao kary ka ny filalaovana ihany ny ahy fa ny kary an-dRafotsibe
Avahi
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.022