Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hendry
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hendry
Hampiditra ohabolana
1.
Ny hendry mody voky, fa ny voky mody adala
Azrael666
2.
Ny adala no omena vady fa ny hendry misafidy
hery
3.
Rehefa manondro Volana ny hendry dia ny tanany manondro ihany no ho hitan'ny vendrana.
Tibao
4.
Ny hendry no anarina, ny mahalala no atoro
OZ16
5.
Lany andro toy ny hendry mananatra adala
Rakotoaly
6.
Hendry anaty toy ny samoina fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany
aivetinakely
7.
raha ny hendry midera tena, manambara ny adaly kosa
NADEGE
8.
Hendry zana-bady ka miaritra ny ditran-dreniny.
aivetinakely
9.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena
yveratsimb
10.
fanahy iniana ny ho hendry , fa ny adalana samy manana
p106
11.
Hendry anarina ka ny "izaho ve no adala no asesika"
aivetinakely
12.
Ny alika no miverina amin'ny malotony, ny mpangalatra no miverina amin'ny toerana nangalariny fa ny hendry kosa vao maika mitombo fahendrena
niryna
13.
Lehilahy tia mampirafy, tsy hendry raha tsy lany harena.
aivetinakely
14.
Tsy misy hendry tahaka ny samoina fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany.
aivetinakely
15.
Hovalahy tsy hendry ka zaza-hova vao hiavo-tena
niryna
16.
Zaza tia lalao afo ka ny andrana ataony ihany no mahahendry azy.
aivetinakely
17.
Hendry anaty tahaka ny lolo, fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany.
aivetinakely
18.
Hendry anaty tahaka ny samoina fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany.
aivetinakely
19.
Ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany no fijery azy
niryna
20.
Na ny adala aza rehefa tsy miteny dia azo lazaina fa hendry ihany
niryna
21.
Ny zanaka hendry mahafaly ny ray, fa ny zanaka adala manome halahelo ny reny
niryna
22.
Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry
niryna
23.
Na ny adala aza no tsy miteny dia toa hendry ihany
niryna
24.
Raha hendry hianao dia hendry ho an'ny tenanao ihany, raha maditra hianao dia hianao irery no hiharan'izany
niryna
25.
Ny vava tsy voatandrina ahitan-doza, ka na ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany.
niryna
26.
Ny hendry mody voky, ny adala misesika ihany.
aivetinakely
27.
Ataoka adala toa tezitra, ataoko hendry kanefa toa asa..
niryna
28.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena.
latina
29.
raha hendry loholona, dia hendry vahoaka
latina
30.
aza manao hendry anatiny toa samoina, ka raha mivoaka afatotry ny sasany
latina
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.139