Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mahia
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mahia
Hampiditra ohabolana
1.
Ahandro mahia mila menaka, raha matsatso mila sira, raha tsara tsy mila dera.
Makoah
2.
Aza mihomehy amboa mahia mba tsy hibozan'ny volony
tsara_ny_marina
3.
omby mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
Nyavorakoto
4.
Toy ny angidina:atao mahia ,be tratra;atao matavy,kely rambo.
niryna
5.
Akondro mahia misy masaka ka saro-dazaina amin-kavana
yveratsimb
6.
Ny mahia zokin' antitra
yveratsimb
7.
Ny (...n') alika mahia tsy lelafin'ny namany
josla
8.
1/ Jaolahy nitombohom-bàviny, resy amin'ny fitiavagna 2/ Jaolahy nitomboko tomboay, tsy mahay fa kafiry 3/ Jaolahy nitombo-bosy, vatany fagnefany 4/ Agnomby mahia tsy lelafin'ny namany 5/ Namono agnomby, nitono kobantigny, tavin-draha samby isany
SEVAMBONY
9.
Taolan-kena mahia ka na dia tsy hena aza dia fofy.
soanja
10.
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina amin-kavana.
soanja
11.
Alika mahia, sady tsy mahavita adidy no manala baràka ny tompony
aivetinakely
12.
Ombimahia lavatandroka, tsy voninahitra ho an'ny tompony fa famenoana isa fotsiny.
aivetinakely
13.
ombalahy mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
elyzo
14.
manalasala toy ny angidina, atao mahia toa be tratra, atao matavy kely fingo
elyzo
15.
antitra miakam_piakarana matavy misonenika, mahia misohika, fohy mandady, lava manjoko, ka na mitehi-kiho ary tsy zesta fa toha naina
orlando405
16.
tsikovoka an-dobo: matavy tsy afahy, tsindrahaka an-tatatra, mahia tsy marary
latina
17.
Akondro (voany) mahia latsaka an-doha sola, ny tanora indray no mamoafady ny antitra
latina
18.
manalasala ohatry ny angidina, ato mahia be tratra, atao matavy kely rambo
raniry
19.
omby mahia tsy lelafi'ny namany
mirana5
20.
-Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha. -ny omby mahia no hanina, ny ao am-pahatra mahamena-maso. -lambolahy mitsako moka, ka sitrany ahay izay vaza-mihetsika.
nanapiso
21.
Ny omby mahia tsy lelafin'ny namany
mandrindra
22.
Akondro mahia misy masaka, saro-dazaina aman-kavana.
ftma
23.
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina aman-kavana
McFy
24.
Ny lainga donga takona fa mahia mifanatrika
Vetso
25.
Omby mahia tsy lelafin'ny namany
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0261