Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rafy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rafy
Hampiditra ohabolana
1.
Tsy lany lainga toy ny mpampirafy
Belouv
2.
Zavavy mandrovi-tsihy lamban-DRafy ka irefarefana.
RAP-ANGE
3.
Rangahibe naka rafy, ka mampitondra ny tsy eran'ny aina!
sejianis
4.
Andevolahy mampirafy, manita-draharaha.
soanja
5.
Mihinan-dany roa toy ny dinta ka mampirafy raharaha.
soanja
6.
Lehilahy tia mampirafy, tsy hendry raha tsy lany harena.
aivetinakely
7.
Mpamitaka tahaka ny lehilahy te-hampirafy, milaza tsy manana kanefa efa folo anaka.
aivetinakely
8.
Aza manao fitan-droa toy ny mpampirafy, mamy ny atsy, tsy fohy ny aroa
niryna
9.
Manita draharaha toy ny andevolahy mampirafy.
niryna
10.
Mahantra kosa Ramomba, fa mihary ho an-janan-drafy.
ikalamako
11.
Iray trano fa tsy iray raharaha toa mpirafy
latina
12.
Raivo tsy hety hirafy, Rafara hisesika ihany.
latina
13.
Ze mampirafy lehiroa manan-kanĂ na
roscarb
14.
faly sahirana toy ny lehilahy mampirafy ka mihinana roa vao jejo maso
dadou
15.
Ingahibe mampirafy, tonga telo vao latsa-bidy
McFy
16.
Andevolahy mampirafy, ka intelo mihosin'akondro
McFy
17.
Ory ampiana toa vehivavy rafy
jentilisa
18.
Rafotsibe naka rafy ka naka loza ho an'ny tena
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0727