Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tian
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tian
Hampiditra ohabolana
1.
Kristiana Alahady, fa mpangalatra akoho Alatsinainy
Azrael666
2.
Vady tsy tiana ianteherana tany ikafarana ilevenana.
Tambanivohidahy
3.
Raha ny lalana no tian-ko tody, tsy jerin'ny mpanesy araiky fa jeriny omban'izay entiny.
Maminirinaheryz_
4.
Ny fahafinaretana no tiana ho azo, ka izay nasaina atao lazaina fa mety.
Nassa
5.
Raha tiana ny vady,ny rafozana no tsinjovi-mandeha.
Ny_Arlinah
6.
Ataovy fitian-dranon'erika:madini-pihavy fa mahatondra-drano.
sylvianna
7.
Aza atao fitia rora-paraky,Tiana ihany ka tsy hatelina.
falinafs
8.
"Izay mahavangivangy tia havana, ny hava_tiana tsy vangia_matetika"
MATOKYAH
9.
Samy manana manana ny tiany hoy ilay rangahibe nitsako tain-delo
strapotin
10.
Tsinjaka andavenona ka sempotrin'ny raha tiany....
sylvoalias
11.
Fitia savony, tiana fa avalana rano
yveratsimb
12.
Aza misoroka adidy ka tsy manan-tiana.
yveratsimb
13.
Aza manao fitian-dalitra, maty mitety ny ratsy, fa mba manaova fitian-tantely ka maty mamela ny mamy ho an'ny fokonolona
yveratsimb
14.
Kabary zato , teny arivo fa iray ihany no tiana hahatongavana.
aivetinakely
15.
Kristianian alahady, alatsinainy mangalatra akoho.
mianjy
16.
Kristianina alahady, alatsinainy mangalatra akoho!
mianjy
17.
Kristianina alahady, alatsiainy mangalatra akoho!
mianjy
18.
Tanora sarak'olon-tiana, ny sento no fanafody manamaivana
aivetinakely
19.
Kalalao matin-dronono;maty amin'ny raha tiany
niry17
20.
Raha tiana ho tody ny lakana itàna,ny tevin-damosiny aloha no zahàna; raha tiana hateza ny lamba tinafy,tsongoy ny tenony fandrao tsy mafy; raha tiana hateza ny fanambadiana,ny alarofatra no anontaniana!
zokieva
21.
Mampaharary vao mihà-tiana ohatry ny fitiavana
kiriah
22.
Toy ny hanina omena andevo; tian-kano, tsy tian-kano.
soanja
23.
Adin-tsain-dRalahy tokana, ny vady tiana ny reny tsy foy
kiriah
24.
Ganagana mandro samy manao izay tiany.
soanja
25.
Vomanga an-tanty, ka samy maka izay tiany.
soanja
26.
Saro-tiavina toy ny landy ka tiana vao misafotofoto
kiriah
27.
ny tiana mitombo tarehy
kiriah
28.
Vary amin'anana ilaofan-tsakay, ka tiana hasiaka ny malaolao.
soanja
29.
tambatambazan-koambakaina, tiana ihany kanefa adalaina Ny Andri-Fara
Rapha
30.
Lokin'ny vady tiana, manta mahatana am-bôtraka, magôdra môra ateligny
hery
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1133