Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe toetr
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
toetr
Hampiditra ohabolana
1.
Aleo ambany toetra,nefa manana mpanompo iray,Toy izay mihambo ho be voninahitra,nefa tsy manan-kohanina akory.
FENOSOA2
2.
Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano.Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady
FENOSOA2
3.
Ny fahazarana no lasa toetra ka fikiro izay fahazarana tsara.
niryna
4.
Ny fanekena eo amin'ny fifanjofoan-javatra mitranga no mahatonga toetra .
niryna
5.
Ny toetranao sisa no tavela rehefa very avokoa izay maha hianao anao.
niryna
6.
Ataovy toy ny toetr'andro ka na iza manome tsiny dia tsy miova izy.
niryna
7.
Mitarehim-boahangy, fa mitoetran'alika, aleo mitazona ny an'ny tena
aivetinakely
8.
Ny loza tsy mitoetra atao mbay lalana , ny fitahiana tsy mitsidika atao mandrosoa.
kiriah
9.
Arosy tapak'elatra ka hitoetra manina an'Itasy, hanidina tsy manan'elatra.
soanja
10.
Saobakaka anaty kamory ka hitoetra toa ho faty , hifindra toerana toa tsy ho velona.
soanja
11.
Voninahitri ny rahona deraina ihany fa tsy mitoetra
kiriah
12.
Toy ny sahona ka mitoetra toa lahiantitra, mivikina toa tovolahy.
soanja
13.
Na mitoetram-bitsika aza aho, mahay miara-monina amin'arivony.
aivetinakely
14.
Fantatra amin'ny fihetsiny ny toetrany
niryna
15.
Ny tena toetranao ve? Rehefa very avokoa ny maha hianao anao
niryna
16.
Mifandova toetra tahaka ny vato, be tsy miteny, kely tsy mivolagna.
aivetinakely
17.
Ziva tsara toetra ka mihoatra ny iray tampo
aivetinakely
18.
Tsara tarehy tia fosa, ka ny toetra ratsiny no niendahan'ny olona aminy
aivetinakely
19.
Izay zavatra ataonao ao anatin'ny maizina no ahalalana ny tena toetranao.
niryna
20.
Ianareo vorona manim-poto-kazo, izahay hazo miandry voron-kitoetra.
aivetinakely
21.
Ny toetra miafina dia toy ny ankoso, bolamena, ka mamiratra jerena
niryna
22.
Lazao ahy ny namanao ahalalako ny toetranao
niryna
23.
Akohokely latsaka an-kady, hiantso kely feo; hanidina tapak'elatra; hitoetra ihany manina ny reniny.
niryna
24.
Ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra
doum
25.
Lazao ahy ny namanao dia lazaiko anao ny toetranao
doum
26.
Ny tarehy ratsy tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana
jentilisa
27.
Avo fitoetra Andriamanitra fa ambany fijery
Vetso
28.
Akoho kely latsaka an-kady, hiantso, kely feo; hanidina, tapak'elatra; hitoetr ihany, manina an-dreniny
McFy
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0234