Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vahiny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vahiny
Hampiditra ohabolana
1.
Tana mian'ala, ka tsy vahiny amin'ny lokon'ny voahary
lehsabotsy
2.
Manasa vahiny tsy avy hihinagna, sady vôky no afaka adidy
OZ16
3.
Vahiny vôky, tsy iharagna angady
OZ16
4.
Aza manasakaiza vahiny
sylvianna
5.
Amboa mivahiny an-tany tsy fantatra, tonga tsy misy mpitsena, lasa tsy misy mpanatitra, atoandro tsy misy mpangoraka, harivariva misy mitoraka.
oely89
6.
Vahiny an-trano tokana, raha tsy maty voky ,maty noana.
aivetinakely
7.
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany
yveratsimb
8.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka saron'afo no hita.
niryna
9.
Mandefitra manana ny rariny toy ny vahiny voa-hitsaka
kiriah
10.
Roborobo no an'ny vahiny, fa ny tompon-trano no mandraoka ny lavenona.
soanja
11.
Vahiny tsy manan-tsisa ka isan'ny noana.
soanja
12.
Izay vahiny tonga miantrano ao aminao dia hevero toy ny noana sy reraka ary mangatsiaka ka karakarao mifandraika amin'izany izy na izy ireo.
soanja
13.
Faly sahirana tahaka ny vahiny tolorana vozon'akoho, jeren'ny maso toa hena azo hanina fa tsakoin'ny nify toa taolana mikarepoka.
thonli
14.
Vahiny tsy nampoizina, na manam-boninahitra aza miala tsiny.
aivetinakely
15.
tonga vahiny fahavaratra, , ny mandoto trano indray no tolorana sakafo
bobone
16.
Soavaly vahiny an'i Mahamasina, tsy mahalala ny départ sy arrivée
aivetinakely
17.
Ataonao ho soavaly vahiny angaha aho no tsy hahalala an'i Mahamasina
niryna
18.
Toy ny manao soa vahiny ka raha voky izy :dia ilaozany mody.
niryna
19.
Ny anatra vahiny: tiana, mody mandry, tsy tiana, mitampody
latina
20.
Ny anatra vahiny: tiana, mody mandry; tsy tiana, mitampody
rapala
21.
Ny vola toy ny vahiny: tonga anio, lasa rahampitso.
jefra
22.
ny vola toa ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
23.
Mahatsara vahiny toy ny takariva mena masoandro
jentilisa
24.
Ny vola toy ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso
hery
25.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka soron'afo no hita
hery
26.
Nanasa vahiny tsy tonga, sady voky no afaka adidy
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0304