Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe voatavo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
voatavo
Hampiditra ohabolana
1.
Boka mangalatra voatavo, mifampitolona samy malama
aivetinakely
2.
Bevata fahatany ohatra ny voatavo antay
1406
3.
Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
yveratsimb
4.
Ho toy ny voatavo, tanora voatsongotsongo, antitra voabatabata
yveratsimb
5.
Be molitra mihinana voatavo ka tafahaona samy matevina
jobo
6.
Voatavo tsy mety ho zinga ka vakiana vao toham-baliha.
soanja
7.
Ny voatavon-tsira tsy enti-miantsena.
soanja
8.
Siny voatavo ka samy mibobobobo amin'izay ananany.
soanja
9.
Omeo voatavo mahamay aho fa hotsofiko.
soanja
10.
Toy ny voatavo tsy mifandraka, fa zazabodo
kanto1
11.
Toy ny voatavo tsy mifandraka, fa zazabodo
niryna
12.
Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
Mandefitra
13.
Sola miloloha voatavo ka tafaray samy malama
hery
14.
Toy ny voatavo, tanora voatsongotsongo, antitra voabatabata
Avahi
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1326