Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe atao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
atao
Hampiditra ohabolana
271.
Toky atao amim-bazimba izay mivadika aloha no kely ila
aivetinakely
272.
Aza atao fitia ranon-trambo be fiavy fa mora ritra.
aivetinakely
273.
Mpivaro-drano tratr'orana, ka tratry ny nataony ihany
aivetinakely
274.
Ratsy atao amin-kavana, izay mahavita be no manenina
aivetinakely
275.
Ataovy vikin'alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
276.
Mpianadahy mita rano, atao aloha ny anabavy mahasadaikatra, atao afara mampiherikerika
aivetinakely
277.
Ataovy tanin-dreniomby sady mimà no mirao-bilona
aivetinakely
278.
Ny vato natao hiafenana no namosaka antsoro maina.
niryna
279.
Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
niryna
280.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
niryna
281.
Aza mety atao fantaka fanolehan-tsarika.
niryna
282.
Rehefa maty ny hatao, sao-bakaka aza mampidi-dranoketsa, fa rehefa tsy hety kosa, ranon'ampago aza misy voay !
hr9296
283.
Hangaro-paosy aza hatao, ka kitapo latsaka ve tsy ho raisina
hr9296
284.
aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa
latina
285.
natao anadahy hiankinana, kanjo misikidy ho vady
latina
286.
Aza homehy lavo, fa ny tody tsy misy, fa ny atao no miverina.
latina
287.
Mpanakalo rano tratr'orana, ka enjehin'ny zavatra ataony.
latina
288.
Ny manao soa tsy mba mahafaty antoka, fa ny manao ratsy enjehin'ny nataony
latina
289.
Ombilahy mifaoka am-botry ka mavon'ny nataony
latina
290.
fotsim-bary natao an-karom-boatokana: very sasaka, very fahatelo.
latina
291.
Aza mety atao fantaka fanolehan-tsarika
latina
292.
Tefi-vilian-dRainiraony: ny an'olona novonjeny, ka ny an'ny tena no atao tofefi-katoka
latina
293.
matokin-damba vinidy, ka mivaro-damba natao
latina
294.
Ataonao ho katsaka ve aho ka hiteraka an-tehezana?
latina
295.
aza atao taria azon'adala
latina
296.
Ataovy toy ny dian-tana: jereo ny aloha, todiho ny aoriana
latina
297.
Aza atao fotsy volo mitozo foana, na zokiny manara-dia
latina
298.
Ilay boka sy ny odiny: Ny tarehiko anie efa simba, fa ny hataonao no sisa
latina
299.
aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
latina
300.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'ilay mora: ny aloha voasafosafo, ary ny aoriana voatehatehaka.
latina
Voalohany
Mialoha
8
9
10
11
12
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0211