Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe atao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
atao
Hampiditra ohabolana
241.
Ataovy sahala amin'ny tokantranon-dandy, ao anatiny vao manatevina.
aivetinakely
242.
Aza atao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, ka ny madilana tentenina, ny mainto atohy.
aivetinakely
243.
Asa atao an-kira, vita toa tsy natao.
aivetinakely
244.
Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra.
aivetinakely
245.
Trano bongo misy ronono toa sarotra atao malahelo
anahely
246.
Ataovy tanin-dreniomby sady mimà no mirao-bilona.
aivetinakely
247.
Arahaba ririnina ka vita tsy natao.
aivetinakely
248.
Aza atao fihavana-molotra ka tezitra vao mifanatona.
aivetinakely
249.
Ataovy dian-tana ny fiainana, banjinina ny aloha, todihina ny ny afara.
aivetinakely
250.
Masoandro be lohataona ka tsy manan-kasosorana amin'olona.
aivetinakely
251.
Lohataon-diavolana, izay miherika hitany.
aivetinakely
252.
Rafotsibe mitahiry fanà nana, eran'ambatry ka atao telo fonosana.
aivetinakely
253.
Ataovy arak'ombin'ilay mora, afara voatoditodika, aloha voasafosafo.
aivetinakely
254.
Ny voninahitra omena an-tsobika, aza atao am-patam-bary.
aivetinakely
255.
Aza mifaninana fa mamorona, jereo izay ataon'ny besinimaro ary aza atao.
niryna
256.
Ataovy ohatran'ny mihinam-bomanga bila ka any an-tenda izy no ahitsy
niryna
257.
Ny hava-malahelo aza mba atao toy ny tsikirity momba fody : tsy tompon-dia fa mpanaraka.
ikalamako
258.
Ketsa vaventy ka sarotra atao lahirodona
ikalamako
259.
Atao teri-omby ririnina tsy ahaosa ny reniny, tsy ahafaty ny zanany
niryna
260.
Matin'ny ebo kely ka ataon'ny alahelo mitakiky.
niryna
261.
Ataoka adala toa tezitra, ataoko hendry kanefa toa asa..
niryna
262.
Rafotsibe misika fary, ny natao hahamandomando ny tenda indray no nampiendaka ny akanjon'ify.
aivetinakely
263.
Manalasala tahaka ny katsaka, atao ho vavy toa misy volom-bava, atao ho lahy toa mibaby.
aivetinakely
264.
Voly vary mahalana ka ny atao no alaina.
aivetinakely
265.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
266.
Toky atao amim-bazimba izay mivadika aloha no kely ila
aivetinakely
267.
Aza atao fitia ranon-trambo be fiavy fa mora ritra.
aivetinakely
268.
Mpivaro-drano tratr'orana, ka tratry ny nataony ihany
aivetinakely
269.
Ratsy atao amin-kavana, izay mahavita be no manenina
aivetinakely
270.
Ataovy vikin'alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
7
8
9
10
11
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0365