Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3571.
Ny anambadian-kiterahana, ny iterahan-ko dimby.
aivetinakely
3572.
Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra.
aivetinakely
3573.
Zaza teraka alina, hafa ny ao ampony hafa ny ao ampoko.
aivetinakely
3574.
Mpirahalahy mian'ala, izy tokiko, izaho tokiny.
aivetinakely
3575.
Mpirahalahy mizara dian'omby, tsy vaky fa mitriatra.
aivetinakely
3576.
Manan-joky afaka olan-teny, mana-jandry afaka olan'entana.
aivetinakely
3577.
Aza mitono tena tahaka ny lolofotsy.
aivetinakely
3578.
Havan-tiana tsy iaraha-monina.
aivetinakely
3579.
Tantely amam-bahona ny fiainana.
aivetinakely
3580.
Raha sery vitan'ny anamalaho, aza amonoana vatotr'akoho.
aivetinakely
3581.
Aza mifanipaka anatiny tahaka ny valala an-karona.
aivetinakely
3582.
Nahita ny akanga tsara soratra ka nanary ny akoho tamàn-trano
aivetinakely
3583.
Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho.
aivetinakely
3584.
Aza mivezivezy toa firaka atakalo
aivetinakely
3585.
Aza manao toy ny veromanitra, mangiloilo fa mora tapaka.
aivetinakely
3586.
Tantely afa-drakotra ka anjakàn'ny adala.
aivetinakely
3587.
Aza miafina nefa misy mahita, toy ny mpamosavy mandeha alina
anahely
3588.
Trano bongo misy ronono toa sarotra atao malahelo
anahely
3589.
Manaova toy ny rano sy vary, ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao
anahely
3590.
Manararaotra sahala amin'ny banga mihomehy alina
anahely
3591.
Matin-kaninkely toa amalona.
aivetinakely
3592.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny an'ny tena tafian-damba.
aivetinakely
3593.
Maimay tahaka ny boka hanam-bady, kanefa na ny tànana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
3594.
Manaova tahaka ny tsintsina, kely ihany fa mitombandahy.
aivetinakely
3595.
Ataovy tanin-dreniomby sady mimà no mirao-bilona.
aivetinakely
3596.
Mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mpamerin-doha.
aivetinakely
3597.
Aza manao lelan'omby sady ambava no am-body.
aivetinakely
3598.
Kalalao matin-dronono, ka matin-draha tiana.
aivetinakely
3599.
Aza matoky saka fa trondro ny laoka.
aivetinakely
3600.
Mpamosavy namosavy boka, matin'ny olon-dratsy ny olon-tsivanona
niryna
Voalohany
Mialoha
118
119
120
121
122
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1215