Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
3661.
TEny diso tsy mba kabary.
aivetinakely
3662.
Loza ho andRakalamomba fa misambo-balala ho an-janak'olona.
aivetinakely
3663.
Sasa lamban'Antananarivo, aleo rovitra toy izay tsy hadio.
aivetinakely
3664.
Zatra ny lalan-dririnina ka manao hitsin-dalana fahavaratra.
aivetinakely
3665.
Vorombe minia misotro vitsika, vilany be sisa sasàna.
aivetinakely
3666.
aza mipetra potsiny ohatra ny lamban'ny piasa
stella1
3667.
Maty tsy isaonana toy ny amboan'ny mpamosavy.
ikalamako
3668.
Mianjonanjona, toy ny akoho nihinam-bitsika.
ikalamako
3669.
Mitranga matetika toy ny fifandiran'ny mpivady.
ikalamako
3670.
Ny hava-malahelo aza mba atao toy ny tsikirity momba fody : tsy tompon-dia fa mpanaraka.
ikalamako
3671.
Ny havana aza hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana
ikalamako
3672.
Ketsa vaventy ka sarotra atao lahirodona
ikalamako
3673.
Isakafoana, mosary ; itafian-damba, henatra.
ikalamako
3674.
Mahantra kosa Ramomba, fa mihary ho an-janan-drafy.
ikalamako
3675.
Hiran'Ikalamomba, ka ranomaso no farany.
ikalamako
3676.
Tsy avelan'ny anaran-kisaraka toa raty, efa lasa ka mbola ratin'akondro ihany.
ikalamako
3677.
Mihena an-toerana ohatran'ny fen'antitra
ikalamako
3678.
Misao-bady tanora ka manome zara ny hafa
ikalamako
3679.
Tsisy mamy toy ny zanaka, fa raha manaiki-non akifika
ikalamako
3680.
Tanàn-kavia sy havanana, izay didia-maharary
ikalamako
3681.
Mamantana tany foana tahaka ny havandra ririnina.
aivetinakely
3682.
Lanom-boka, tafita vao rendrika.
aivetinakely
3683.
Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
aivetinakely
3684.
Vita ho azy tahaka ny karatr'i Naivo, i Naivo tsy nanatitra, ny fanjakàna tsy nitaky.
aivetinakely
3685.
Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy.
niryna
3686.
Maty manao soa izy, mandefitra vao vaky loha
niryna
3687.
Aza mitsipa-doha laka nitana
niryna
3688.
Voninahitra omena ny tantely fa ny vomanga mba mamy ihany.
niryna
3689.
Aza manao an'Andriamanitra tsy misy ka mitsambikina mikipy
niryna
3690.
Ny nenina tsy ao aloha fa aoriana
niryna
First
Previous
121
122
123
124
125
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0218