Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3721.
Tanora ratsy fiary antitra vao ratsy laoka
niryna
3722.
5zay manatsira mahay mahandro.
niryna
3723.
Mahita anay lavin-kavana ka miady mena masoandro.
aivetinakely
3724.
Tanora ratsy fihary, ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
3725.
Aza manao hantan-kankana ka tapaka eo am-piolinkolehana.
aivetinakely
3726.
Izay tonga aloha mamira ny mahitsy, izay mandry aloha mamàna ny tsihy.
aivetinakely
3727.
Tapi-dalan-kaleha tahaka ny sokina nanani-bato.
aivetinakely
3728.
Ny takatra no fisa-doha, matory amorom-parihy, ny vano no lava tenda, maditra olom-pehezina, ny tsintsina no kely fingo, ny isandahy no tsy zaka.
aivetinakely
3729.
TEny diso tsy mba kabary.
aivetinakely
3730.
Loza ho andRakalamomba fa misambo-balala ho an-janak'olona.
aivetinakely
3731.
Sasa lamban'Antananarivo, aleo rovitra toy izay tsy hadio.
aivetinakely
3732.
Zatra ny lalan-dririnina ka manao hitsin-dalana fahavaratra.
aivetinakely
3733.
Vorombe minia misotro vitsika, vilany be sisa sasàna.
aivetinakely
3734.
aza mipetra potsiny ohatra ny lamban'ny piasa
stella1
3735.
Maty tsy isaonana toy ny amboan'ny mpamosavy.
ikalamako
3736.
Mianjonanjona, toy ny akoho nihinam-bitsika.
ikalamako
3737.
Mitranga matetika toy ny fifandiran'ny mpivady.
ikalamako
3738.
Ny hava-malahelo aza mba atao toy ny tsikirity momba fody : tsy tompon-dia fa mpanaraka.
ikalamako
3739.
Ny havana aza hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana
ikalamako
3740.
Ketsa vaventy ka sarotra atao lahirodona
ikalamako
3741.
Isakafoana, mosary ; itafian-damba, henatra.
ikalamako
3742.
Mahantra kosa Ramomba, fa mihary ho an-janan-drafy.
ikalamako
3743.
Hiran'Ikalamomba, ka ranomaso no farany.
ikalamako
3744.
Tsy avelan'ny anaran-kisaraka toa raty, efa lasa ka mbola ratin'akondro ihany.
ikalamako
3745.
Mihena an-toerana ohatran'ny fen'antitra
ikalamako
3746.
Misao-bady tanora ka manome zara ny hafa
ikalamako
3747.
Tsisy mamy toy ny zanaka, fa raha manaiki-non akifika
ikalamako
3748.
Tanàn-kavia sy havanana, izay didia-maharary
ikalamako
3749.
Mamantana tany foana tahaka ny havandra ririnina.
aivetinakely
3750.
Lanom-boka, tafita vao rendrika.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
123
124
125
126
127
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1409