Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3631.
Manararaotra sahala amin'ny banga mihomehy alina
anahely
3632.
Matin-kaninkely toa amalona.
aivetinakely
3633.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny an'ny tena tafian-damba.
aivetinakely
3634.
Maimay tahaka ny boka hanam-bady, kanefa na ny tànana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
3635.
Manaova tahaka ny tsintsina, kely ihany fa mitombandahy.
aivetinakely
3636.
Ataovy tanin-dreniomby sady mimà no mirao-bilona.
aivetinakely
3637.
Aza manao lelan'omby sady ambava no am-body.
aivetinakely
3638.
Kalalao matin-dronono, ka matin-draha tiana.
aivetinakely
3639.
Aza matoky saka fa trondro ny laoka.
aivetinakely
3640.
Mpamosavy namosavy boka, matin'ny olon-dratsy ny olon-tsivanona
niryna
3641.
Ny hohavanina tsy misy, fa ny hiadina no betsaka.
niryna
3642.
Mody milaza tsy miady kanefa ny kobay an-kelika ihany.
niryna
3643.
Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
niryna
3644.
Andriamanitra tsy andrin'ny hafa handriko ihany
niryna
3645.
Mpamosavy namosavy boka, ka natin'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona.
niryna
3646.
Toy ny sikidy saka:ny fo iray ihany, fa ny loha no samy hafa
niryna
3647.
Matety mpihavy toa sotrokely
niryna
3648.
Ny fihavanana tsy azo vidiam-bola
niryna
3649.
Velona iray trano, maty iray fasana toy ny olombelona
niryna
3650.
Raha monina anosy, lavitra 'olon-kiresahana.
niryna
3651.
Mimonomonona hoatra ny lalitra, miriorio hoatra ny angidina
niryna
3652.
Raha miady ny ahy sy ny azy, tsy naleon'ny naterany.
niryna
3653.
Tsy misy mahita kilema momban'ny tena.
niryna
3654.
Tsy misy mahita kilema momban'ny tena.
niryna
3655.
Raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy;raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty.
niryna
3656.
Nahoana no faly asiandratsy toa tsihy.
niryna
3657.
Ny olona ambony mijery ny tenany, ny olona ambany mijery ny olona
niryna
3658.
Ny fiainana dia izay hieritreretinao ho ianao, no maha ianao anao.
niryna
3659.
Miadan-dratsy tahaka ny boka may trano.
aivetinakely
3660.
Arahaba ririnina ka vita tsy natao.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
120
121
122
123
124
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.02