Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mana
Hampiditra ohabolana
361.
Aza manao vatam-balala ka miharo ihany ny lohany sy tainy.
aivetinakely
362.
Manaja toky tahaka ny voromahilala ka na maty vady aza tsy manolo.
aivetinakely
363.
Izay tia voninahitra manary fihavanana, izay tia havana mahazo harena.
aivetinakely
364.
Aleo kely manan-tsaina toy izay be tsy mahataka-davitra.
aivetinakely
365.
Aza manao tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
366.
Zaza vonton'anatra ka manao mbay làlana an-tsena.
aivetinakely
367.
Ny manantena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
368.
manao ny tay tsy ho maimbo ka mangery misalobona
Raherizo
369.
Mba manan-kantenaina tahaka and-Rafotsibe nandevina eran'ambatry.
aivetinakely
370.
Manary vady tanora manome zara ho an'ny sasany.
aivetinakely
371.
Ombilahy mandeha hosy ka miomàna hisolo ny asan'ny sasany.
aivetinakely
372.
Sahiran-dava tahaka ny rafozana tonga vinanto ka manadino ny hanitra tokony hampitaina.
aivetinakely
373.
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty
aivetinakely
374.
Tsara vady mianjaika, miomàna fa ho be fahavalo.
aivetinakely
375.
Aza mirehareha manan-tany fa rehefa mody ianao, izy ihany no hitelina.
aivetinakely
376.
Aza manao fanirin-tsaonjo ka ny mamelana indray no lazaina ho mandoza.
aivetinakely
377.
Mpitondra manao tohatra fiakarana, tsy araky ny fitsaràna saingy hotsarain'ny tantara
aivetinakely
378.
Ny feno tsy mikobana, ny foana no manakoako.
aivetinakely
379.
Manalasala toy ny vozon'akoho, hariana toa hena, hohanina feno taolana
aivetinakely
380.
Sondrian-kira tahaka ny sahona ka tsy mahatsikaritra ny fahavalo manatona.
aivetinakely
381.
Raha manambady tsara tarehy dia tsy mahavondraka kisoa, satria variana mijery azy ny kisoa fa tsy mihinan-kanina
aivetinakely
382.
Aza manao voa mivonto an-kibo
niryna
383.
Izay tsy mahafoy kely tsy manana ny tiana
niryna
384.
Aza manao vorona azon'adala ka na tsy maty aza, mifohafoha volo
niryna
385.
Aza manositosika ny tsy manambika
niryna
386.
Ny krismasy izay fahatsiarovana ilay nahaterahan'ny Mpanjakan'ny fandriampahalemana ary manome basy kilalao ho an'ny ankizy
niryna
387.
Andriamanitra miahy ny madinika fa tsy manary kosa ny adalan-karena ho very
stefcom
388.
Izay manabe lehilahy, mitaiza olona iray, izay mampianatra vehivavy, manabe vahoaka alin-kisa.
aivetinakely
389.
Ny manatena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
390.
Manambitamby lava, toy manana andevo tokana
niryna
Voalohany
Mialoha
11
12
13
14
15
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0326