Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mana
Hampiditra ohabolana
331.
Zatry ny niadan-dratsy, mamaham-piso avy no anakaramàna.
aivetinakely
332.
Mandidy hena ambony fe, manao sorona ny saro-pady.
aivetinakely
333.
Tsikovoka antanety, mitanina andro vao manafohy fiainana;
aivetinakely
334.
Izay diso matahotra lany hery, fa ny matoky tena very namana
aivetinakely
335.
Manaiki-droa lany tahaka ny dinta.
aivetinakely
336.
manalasala tahaka nybe taona mandoko volo jerena eo aloha toa miketron'andrina jerena ao afara toa demozely maintso volo
bobone
337.
Ny fahendrena manalavitra ny famboniantena
niryna
338.
Na manankarena na mahantra dia mitovy ihany ny namorona azy
niryna
339.
Ny olona mety manahy izay teneninao fa mino kosa izy izay ataonao
niryna
340.
Tsy ampihova na inona na inona ny mipetraka fotsiny raha tsy manao hetsika
niryna
341.
Izay manolotra ny tava ho tratry ny masoandro dia efa manantena ho may
niryna
342.
Tsy mahazaka havam-bady, very voninahitra sady tsy manan-drariny.
aivetinakely
343.
Raha ianao vatokely manafintohina, ny aty vatolampy ampy handihizan'ny varatra.
aivetinakely
344.
Aza manao vono-moka
niryna
345.
Zazavavy navoaka an'entana ka mirehereha manan-kantenaina.
aivetinakely
346.
Manao loham-balala ka misarika ny tainy.
aivetinakely
347.
Tapotapohan'ny manam-pahaizana ka eny Ankatso avy no mitondra solaitra
Manatsiala
348.
Tapotapohan'ny Jerosalema ka manao lakoroa bozaka
Manatsiala
349.
Aleo vady manam-panahy toy izay vehivavy tsara tarehy.
aivetinakely
350.
Tia manandrana ka nahita ny loza tsy takatry ny saina.
aivetinakely
351.
Bingo manao mantso ka misalovana ny anjara toeran'ny sasany.
aivetinakely
352.
Hambompo manan-toerana fa ny zaza tsy azo ariana.
aivetinakely
353.
Vehivavy tsara bika, ka miherika manaraka aloka.
aivetinakely
354.
Tsy manan-kantenaina tahaka ny maty havana akaiky, Tsy manam-pitsetra tahaka ny maty olo-malala.
aivetinakely
355.
Manalasala tahaka ny ampisafidiana zazavavy kambana.
aivetinakely
356.
Manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
king58
357.
Banga manao solo-nify, afa-kenatra eo am-pihomehezana fa latsa-dranomaso eo am-pihinanana
Raherizo
358.
Manambady jamba ka ny safosafo no amenoana ny banga
aivetinakely
359.
Siakam-behivavy ka manafina ny tsy misy ao antrano.
aivetinakely
360.
Lehilahy mpiasa be ka soloim-bava antrano, manaiky ny tsy rariny eo anatrehan'ny fitsaràna.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
10
11
12
13
14
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0179