Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
3871.
varotra an-takoboka toy ny varo-boanatsindrana
jentilisa
3872.
ny hena masaka no mahavelona, ny hena-maso no mahafaty
jentilisa
3873.
ny akoho tsy foy tsy hita soritra
jentilisa
3874.
ny teny tsy mazava tsy hita fototra
jentilisa
3875.
Mahatsara vahiny toy ny takariva mena masoandro
jentilisa
3876.
ny alina mitondra fisainana
jentilisa
3877.
Ny natao handrandrana ve no hanafenana loha sola?
jentilisa
3878.
Masak'ila otran'ny ramanonaka
sasa
3879.
hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy
palince
3880.
Izaho ve no namono ny voay dia ianao no hiravaka ny vanginy?
JMR
3881.
Ny fahoriana mahazaka maniraka
JMR
3882.
Andry ombin-dRalaimora ny lehibe voatambitamby, ny kely voasafosafo
JMR
3883.
Mangetaheta ambony lakana
JMR
3884.
Ny vadin-joky kilalaon-jandry
JMR
3885.
Aza tsemboka alohan'ny mievoka
JMR
3886.
Ny vady tsy tiana no isaorana
JMR
3887.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy, ny resy tsy akoraina, ny mandresy tsy hobiana
JMR
3888.
Ny manambady ny fohy mitahiry tapak'amponga
JMR
3889.
Antitra aho vao be ny tanora
JMR
3890.
Misoko mangina ohatra ny ron-gisa
JMR
3891.
Mivoaka ho faty hoatran'ny kankana
JMR
3892.
Ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka
JMR
3893.
Maimay hoatran'ny boka hanambady
JMR
3894.
Potsitr'ovin'Ankaratra, ka samy mihinana ny voapotsipotsiny
JMR
3895.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
JMR
3896.
Tsy ny teny no ratsy fa ny sainao no tsy tsara
JMR
3897.
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana
JMR
3898.
Mpandihy lava volon-kelika, ratsy atao mahazo tsiny, tsara atao mahazo tsiny
JMR
3899.
Manalasala toy ny parasy am-pitombenana, avela mangidihidy, haorina manamaimbo tanana!
JMR
3900.
Izay voky no maharaka ny namany
JMR
Voalohany
Mialoha
128
129
130
131
132
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0669