Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
3811.
Fitia tany, velona irezarezana, maty itsilanesana
jentilisa
3812.
Ny tarehy ratsy tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana
jentilisa
3813.
fitia savony, tiana fa avalana rano.
jentilisa
3814.
Ny alika mivovo tsy manaikitra
JMR
3815.
Sanatriavin'ny vava ladinin'ny lela
JMR
3816.
Tsy matoky saka fa trondro ny laoka
JMR
3817.
Ny maso mijery tsy mitondra mody
JMR
3818.
Tsy tia aho e tsy tia aho e, nefa ny ao am-po mitaralila
JMR
3819.
Miharihary hoatran'ny kary an'efitra
JMR
3820.
Ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
JMR
3821.
Aza sarotiny alohan'ny tompony
JMR
3822.
Aza sarotiny alohan\'ny tompony
JMR
3823.
Horakoraka ny an'ny sahona fa tsiboiboika no tompon'ny rano
JMR
3824.
Ataovy toy ny voankazo an'ala, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy.
jentilisa
3825.
Ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara.
jentilisa
3826.
ny honohono mahakila ny natono sy mampandroatra ronono.
jentilisa
3827.
Namono biby tsy nahafaty ka ifoteran'ny rambony.
jentilisa
3828.
Adin'akoholahy vorombato, ny iray torotoro, ny iray disadisaka.
jentilisa
3829.
Be nangy mitsok'ovy, ny kibo voky tsy hitan'ny olona fa ny nangy mitombo no hitan'ny olona.
jentilisa
3830.
Misoko mangina toy ny otrik'afon'apombo
jentilisa
3831.
Sakaipilo tsy leon'ny sakaimalaho
jentilisa
3832.
Valala tsy ampoky ny ahitra ka mifiaka ny antsoro maina.
jentilisa
3833.
Ny adin-kabary toy ny dontany sy kapotandroka
jentilisa
3834.
Diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela.
jentilisa
3835.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
3836.
Ankifonofono toy ny varo-katsaka amam-bolony.
jentilisa
3837.
Ny teny toy ny fonosana, izay mamono no mamboraka
jentilisa
3838.
Mamitaka ny mividy omby anaty ambiaty.
jentilisa
3839.
Tonga tsy nampoizina nasesiky ny razana
JMR
3840.
Mpamosavy malemy ka ny an-trano ihany no asiana
JMR
Voalohany
Mialoha
126
127
128
129
130
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.086