Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
3781.
mpanankarena tsy mihinana: tsy tompony fa mpitahiry entana.
jentilisa
3782.
mpanankarena mahihitra: tsy tompony fa mpiandry entana
jentilisa
3783.
Mpanankarena mahihitra: mihary ho an'ny mpandevina
jentilisa
3784.
be famaritra tahaka ny rambon'osy: lanitra tsy hianjera no tohanana
jentilisa
3785.
ny fanompoana tahaka ny endim-boanjo: ny madinika ihany no may.
jentilisa
3786.
Tantely vaky: mitsentsitra avokoa na ny adala na ny hendry.
jentilisa
3787.
Borizanon'Ivakiniadiana, ny tonga ihany no matin'entana.
jentilisa
3788.
totohondry diavolana ka ny mazavaray ihany no voa
jentilisa
3789.
very maina tahaka ny tantely nahoso-bato
jentilisa
3790.
Very maina toy ny menaka nahoso-bato.
jentilisa
3791.
Voarabe endriky ny saha
jentilisa
3792.
tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanĂ na
jentilisa
3793.
tanora be sondrotr'aina mety ho faty alohan'ny marary
jentilisa
3794.
mpandany ny azo tahaka ny zaza mpandova
jentilisa
3795.
Aza manaram-po tahaka ny kary an'efitra.
jentilisa
3796.
Ny manan-dray no anarina ka ny kamboty no mahazo aloha.
jentilisa
3797.
ny zoky be toa ray ihany
jentilisa
3798.
Ny anadahy toy ny vodi-fahitra: na soa na ratsy izay manjo lazaina avokoa.
jentilisa
3799.
Tsingeringerin'ankizy ka ny lehibe avy no fanina.
jentilisa
3800.
lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy.
jentilisa
3801.
Mitomany an-dreniny te-hinono, mitomany an-drainy te-hobabena
jentilisa
3802.
Maromaroa ny fiteraka fa tsy hilaozan'izay ho tsara.
jentilisa
3803.
Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valam-parihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.
jentilisa
3804.
Tokam-po tahaka ny siny: tsy manampo afa-tsy rano.
jentilisa
3805.
Ombalahy tanimanga, ny tompony ihany no mitrena
jentilisa
3806.
Ratsy tarehy maka vady, ny anaran-dray no enti-mangataka
jentilisa
3807.
Vely ampongan'ny Manendy, ny andahiny dobodobohina ny ambaviny kenakenaina.
jentilisa
3808.
Lasan-ko bikany toa akoholahy fahavaratra
jentilisa
3809.
Ny alahady mivavaka, ny alatsinainy mangalatra (akoho)
JMR
3810.
Raha nahafaty ny fifosana efa be no lasan-ko-razana
JMR
Voalohany
Mialoha
125
126
127
128
129
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0761