Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4231.
Zana-balala tsy mahatratra ny lanitra
latina
4232.
Mifanety malalaka toy ny nifim-boalavo
latina
4233.
Mikapoka amalona am-bovo, misakana ny mbola ho avy
latina
4234.
Akondro (voany) mahia latsaka an-doha sola, ny tanora indray no mamoafady ny antitra
latina
4235.
Mpaka rofia nahazo mpangalatra, vonona ny kofehy hamatorana
latina
4236.
vorondolo miaraka amin'akoho: mitaha fa tsy mba havanay
latina
4237.
aza manao fody lahy mena, sady mandraka no homana
latina
4238.
Tonga fa tsy tafiditra am-pahitra, toy ny omby noroahin-jaza
latina
4239.
amboa lahy miambozon-koditra: maniry hanina an-tenda
latina
4240.
Vato natora-mamba: ny notorahana tsy nipoitra, ny naotraka tsy niseho
latina
4241.
Aza manao fierin-kanin-jaza: ny an-tanana, ariana, ny am-bava aloa.
latina
4242.
Raha ambaka samy lela, avelao hikipaka
latina
4243.
Ady misy hena, ka izay mamoy no liana
latina
4244.
aza manirina omon-tsy afaka aina
latina
4245.
Atody tsy miady amam-bato
latina
4246.
Ny toerana no tsy lavorary, ny trano atsimo sy avaratra no mifanaratsy
latina
4247.
Ny kitoza no tsara mihantona, fa ny teny tsy tsara mihantona
latina
4248.
Toy ny aretin'omby ny teny, ka izay mirehodrehoka no hifindrany
latina
4249.
hendry miady amin'adala, ka havizanana no hita
latina
4250.
Ady amin'adala ka ny hendry no miala
latina
4251.
Ady tsy ahi-mahatratra
latina
4252.
Ny ady tsy tra-mahahery vava
latina
4253.
Mitolona am-batolampy ka izay ratsy fihazona no vaky loha
latina
4254.
Mitolona anaty rano ka samy lena
latina
4255.
Mitolona am-bovon-tany, ka samy mavo
latina
4256.
Tsy miady, sahala; ka hiady, hisy resy
latina
4257.
Ny ady volom-balala: ka izay tia azy ihany no ditsoka
latina
4258.
Tandremo ny hanan-drariny, fa ny olombelona toy ny tsingala sy ny dinta, ka saro-mifanaikitra.
latina
4259.
Tsingala sy dinta: raha miray trano loza, ary raha mifanaikitra, atambo.
latina
4260.
Isika roalahy toy ny vato falia sy ny vanja: ka isaky ny mihaona mitselatra ihany
latina
Voalohany
Mialoha
140
141
142
143
144
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0221