Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4171.
Mandainga ny rano, hoy ilay boka mizaha ny tandindony
latina
4172.
boka very tsy misy araka
latina
4173.
boka mihina-kitoza: ny fihinana no lavorary, fa ny fanalana kaka no ady mafana
latina
4174.
boka mijinja vary, ka mamorovoro ny efa vita
latina
4175.
tsy hita lavadavaka, ohatra ny boka misikidy rantsana
latina
4176.
boka mitohy rofia, ka manasaritaka ny efa milamina
latina
4177.
Boka tsy namosavian-kavana ohatry ny mananasy
latina
4178.
Ny boka indray no mahantra: velona tsy iray trano, maty tsy iray fasana
latina
4179.
Bokalahy lavo amin-karavola: ka kibo no enti-manarina
latina
4180.
bokalahy lavo an-tany mena, ka tafarina vao mingoso anabavy
latina
4181.
lambam-boka, ka izay sahy no mindrana
latina
4182.
Ilay boka sy ny odiny: Ny tarehiko anie efa simba, fa ny hataonao no sisa
latina
4183.
boka mivaron-tantely: ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenan'ny mpivarotra no mampalohiloy
latina
4184.
sola homan-trafon-kena, ka any an-kibo no manao fito an-kila
latina
4185.
telo no sola: ny anankiray tava mitatra, ny anankiray sola nahafahana, ny anankiray tena sola
latina
4186.
totohondry diavolana: ny mazavaray ihany no voa
latina
4187.
Maro ny sola, fa ny an-tsatro-mena no izy
latina
4188.
fery ambany maso, sady maharary no maha menatra
latina
4189.
Fotsy maso an-danonana, ka izay an'ny tena no adiridiry
latina
4190.
bari-maso be manafatra, ka ny be molotra indray no mianjona
latina
4191.
Njola mangala-katsaka: mody tsy mijery, kanjo mitily ny main-dambana.
latina
4192.
didimaso asiana ody: mahareta fa hihavian'ny soa
latina
4193.
Didimaso maro anaka, ka tsy mahita ny ef nihinana
latina
4194.
didimaso mitomany, ka ny vava ihany sokafana dia vita
latina
4195.
didimaso miantsena, ka manome sakafo ny lalitra
latina
4196.
Didy maso tsara ondana ka tafandry manana aretina
latina
4197.
avelao hitaha hahitana ny lesoka, avelao hamindra hahitana ny tsivaka
latina
4198.
tsivaka marim-pandeha
latina
4199.
aza mitaitay ny banga, fa hoditra no ifanekerana
latina
4200.
Ilay banga manao solo-nify: afa-kenatra eo am-pihomehezana, fa latsa-dranomaso eo am-pihinanana
latina
Voalohany
Mialoha
138
139
140
141
142
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0483