Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4081.
aza manaraina misy vary
latina
4082.
aza mitarika hazo an-tendrony
latina
4083.
Aza mitondra hodi-nato miantsinanana
latina
4084.
hafahafa toa sifotra, ka ny tamenany indray no ariana
latina
4085.
hafahafa fitia sifotra, ka ny taviny no ariana
latina
4086.
fatra-pitady fitia mba hanampy, ka manary ny mby an-koditra
latina
4087.
Fatra-pitady ny hofany, ka manary ny tenany be
latina
4088.
Fatra-pitady ny tsy hita, ka manary ny hita maso
latina
4089.
matokin-damba vinidy, ka mivaro-damba natao
latina
4090.
Miady lalana imaso toy ny rarin'ny mpianatra
latina
4091.
toy ny tsy mahatafy tena: ny tena mba te-hitafy ihany, fa ny sain-kanao no tsy misy
latina
4092.
Amberivatry an-tanimena: raha tsy tianao tian'ny landy
latina
4093.
Ataonao ho katsaka ve aho ka hiteraka an-tehezana?
latina
4094.
Didian-tsy ary somàka; faritana tsy ary voatana (na tsy mitovy)
latina
4095.
amalon'Imoriandro aho, ka tsy hain-jaza tsy haim-behivavy
latina
4096.
Mandia tany naleha hoatra ny fanoron'ny tsy mahay
latina
4097.
Mitana ny efa, toy ny mpanjaitra tsy mahay
latina
4098.
te hilaza ka tsy mahay, te-hiteny ka bada lela
latina
4099.
Tefin'olon-tsy mahay, ka tsofa no manamarina azy
latina
4100.
Sokina mita rano, ny tsy mahay indray no mivonkina
latina
4101.
Ikala adala omen-dasiray, ka herinandro mitsnjaka ihany.
latina
4102.
toy ny soron'afon'adala: ny aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany
latina
4103.
Andry ombin'Ifiringa adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo
latina
4104.
Manandrifindrify ohatra ny tenin'adala
latina
4105.
manana ny adala maha tezi-tarehy
latina
4106.
raha hendry loholona, dia hendry vahoaka
latina
4107.
aza atao taria azon'adala
latina
4108.
Ny tery adala
latina
4109.
Raha adala loholona, dia adala vahoaka
latina
4110.
tafasirin'adala, ka ny lasa ihany no averimberina
latina
Voalohany
Mialoha
135
136
137
138
139
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0248