Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4111.
Adaladala fiandry trano, ka homam-barin-jaza
latina
4112.
Ny zanak'omby tsy ampianarin-domano, ny andriana tsy ampiantin-kabary
latina
4113.
aza manao hendry anatiny toa samoina, ka raha mivoaka afatotry ny sasany
latina
4114.
Mpatsaka mahay mikabary: hendry ihany fa tsindrian'ny tavim-bilany
latina
4115.
Ataovy toy ny dian-tana: jereo ny aloha, todiho ny aoriana
latina
4116.
Be ihany no mahay Andrianoly, fa izay manga feo ihany no izy.
latina
4117.
raha ny kapoka no maha hendry, dia ny omby no hendry aloha
latina
4118.
hendry an-tranon'olona toa Rainitoazy
latina
4119.
Monina ambanin'ny saokan'ny hendry
latina
4120.
Ny valala misy rahate, ny mpilaza mahay koa
latina
4121.
Manan-tsira ka mahay mahandro
latina
4122.
Ny hevitra dia toy ny ketsa: raha lava loatra, maningotr aina; ary raha fohy loatra, afatotry ny sasany
latina
4123.
izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina
latina
4124.
Raha mararin-teny, aza mitakarina
latina
4125.
Manasa ny be kibo, ka ny vary no lany, mananatra ny adala, ka ny vava no vizana.
latina
4126.
tsy mety raha manam-bady tsy miera, manan-dray tsy midinidinika
latina
4127.
Be feo mananatra ka ny ala-trano no mahazo aloha
latina
4128.
Ny akanga aza mahalala ny tsaratsarao, ka maika fa izaho olombelona
latina
4129.
Teny atsipin'ny manam-panahy, raisin'ny mpahalala
latina
4130.
Ny anatra vahiny: tiana, mody mandry, tsy tiana, mitampody
latina
4131.
Rafotsibe manandrana anana: tsy milaza ny hafiny, fa ny masony mangarika ihany
latina
4132.
Mifanaratsy an-toerana ohatra an-dRafotsibe mitanin'andro
latina
4133.
Rafotsibe maty ondry, ka misento homana ny atiny
latina
4134.
Rafotsibe vaky sahafa, ka manatavy ny akohon'olona
latina
4135.
Rafotsibe leom-boanjo: ny tain'ondry avy no andosirany
latina
4136.
Rafotsibe leon-tsokina, ka tsy te-hijery vodi-kifafa.
latina
4137.
Rafotsibe miandry ombilahy, ka manaraka am-bokony
latina
4138.
Vavy anti-doza tsy mamindra fo ny lasa
latina
4139.
aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitodi-jafy intsony
latina
4140.
Rangahy anilan'ny sinibe, ka ho fatin'ny aza fady
latina
Voalohany
Mialoha
136
137
138
139
140
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0211