Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4051.
Mpanakalo rano tratr'orana, ka enjehin'ny zavatra ataony.
latina
4052.
Ny manao soa tsy mba mahafaty antoka, fa ny manao ratsy enjehin'ny nataony
latina
4053.
Matin-kanin-kely toa amalona
latina
4054.
matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan'ny sotro
latina
4055.
Ombilahy mifaoka am-botry ka mavon'ny nataony
latina
4056.
vivy manitrika ka bongo mason'ny nahiny
latina
4057.
Lolo fotsy mitono tena ka matin'ny nahim-pony
latina
4058.
Tsy mahalala izay varavaran-kodiavina ohatra ny akoho amidy ao an-tsena
latina
4059.
Mizo-poana toa omby vonoina
latina
4060.
nahoana no tompon-tany mantsaka ranom-potaka?
latina
4061.
fotsim-bary natao an-karom-boatokana: very sasaka, very fahatelo.
latina
4062.
mamatotra akoho an-kady ka mankasika ny kary
latina
4063.
Manihika an-tanety ka androngo no azo
latina
4064.
Milomano mivalana (na miorika) ka manabe vava ny ony
latina
4065.
aza mandoa lasiray raha voa famaky
latina
4066.
Aza mety atao fantaka fanolehan-tsarika
latina
4067.
aza manetriketrika ny an'olona, fa rehefa masaka batain'ny tompony
latina
4068.
voly voanjon-dRakaretsaka: ny an'ny tena tsy vita, ka ny an'olona no karetsahina
latina
4069.
Tefi-vilian-dRainiraony: ny an'olona novonjeny, ka ny an'ny tena no atao tofefi-katoka
latina
4070.
Ny ondry voatsipy taolana, ary ny amboa voatsipy vilona: tao ihany fa nifanolana
latina
4071.
manao tolon'ilaikavia: ny an-ilany tsy lavo, ny an-ilany tehafi-maso
latina
4072.
valam-parihy tsara hatsaka, ka na ny kely aza mitety tor-kovitra ihany.
latina
4073.
manakodi-by, mahandro fanjaitra: voky ihany fa manevitevika
latina
4074.
Misavika ny tsy ho an'ny tena, toy ny vahy misavika akondro
latina
4075.
Akoho nikotrika atodim-borona, ka miongo-bolo amin'ny tsy ho an'ny tena
latina
4076.
aza mandrefy hazo mitsangana
latina
4077.
aza manaraina misy vary
latina
4078.
aza mitarika hazo an-tendrony
latina
4079.
Aza mitondra hodi-nato miantsinanana
latina
4080.
hafahafa toa sifotra, ka ny tamenany indray no ariana
latina
Voalohany
Mialoha
134
135
136
137
138
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0229