Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
4021.
matokin-damba vinidy, ka mivaro-damba natao
latina
4022.
Miady lalana imaso toy ny rarin'ny mpianatra
latina
4023.
toy ny tsy mahatafy tena: ny tena mba te-hitafy ihany, fa ny sain-kanao no tsy misy
latina
4024.
Amberivatry an-tanimena: raha tsy tianao tian'ny landy
latina
4025.
Ataonao ho katsaka ve aho ka hiteraka an-tehezana?
latina
4026.
Didian-tsy ary somàka; faritana tsy ary voatana (na tsy mitovy)
latina
4027.
amalon'Imoriandro aho, ka tsy hain-jaza tsy haim-behivavy
latina
4028.
Mandia tany naleha hoatra ny fanoron'ny tsy mahay
latina
4029.
Mitana ny efa, toy ny mpanjaitra tsy mahay
latina
4030.
te hilaza ka tsy mahay, te-hiteny ka bada lela
latina
4031.
Tefin'olon-tsy mahay, ka tsofa no manamarina azy
latina
4032.
Sokina mita rano, ny tsy mahay indray no mivonkina
latina
4033.
Ikala adala omen-dasiray, ka herinandro mitsnjaka ihany.
latina
4034.
toy ny soron'afon'adala: ny aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany
latina
4035.
Andry ombin'Ifiringa adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo
latina
4036.
Manandrifindrify ohatra ny tenin'adala
latina
4037.
manana ny adala maha tezi-tarehy
latina
4038.
raha hendry loholona, dia hendry vahoaka
latina
4039.
aza atao taria azon'adala
latina
4040.
Ny tery adala
latina
4041.
Raha adala loholona, dia adala vahoaka
latina
4042.
tafasirin'adala, ka ny lasa ihany no averimberina
latina
4043.
Adaladala fiandry trano, ka homam-barin-jaza
latina
4044.
Ny zanak'omby tsy ampianarin-domano, ny andriana tsy ampiantin-kabary
latina
4045.
aza manao hendry anatiny toa samoina, ka raha mivoaka afatotry ny sasany
latina
4046.
Mpatsaka mahay mikabary: hendry ihany fa tsindrian'ny tavim-bilany
latina
4047.
Ataovy toy ny dian-tana: jereo ny aloha, todiho ny aoriana
latina
4048.
Be ihany no mahay Andrianoly, fa izay manga feo ihany no izy.
latina
4049.
raha ny kapoka no maha hendry, dia ny omby no hendry aloha
latina
4050.
hendry an-tranon'olona toa Rainitoazy
latina
First
Previous
133
134
135
136
137
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0208